
๐๐๐ฃ๐ค๐ข๐๐ค๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ซ๐๐ง๐ค๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐๐๐ค ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐จ๐ค ๐จ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ฉ๐จ๐๐ ๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐๐๐ฃ๐ฎ ๐ข๐๐ง๐๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ค ๐๐ค ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐๐๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐๐ก๐ค๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ซ๐ค๐๐ค๐ฏ๐ ๐๐๐๐ผ๐๐, ๐๐ค ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐ค๐ฃ๐๐ฃโ๐ ๐๐ค๐๐ข๐๐จ๐๐ฃ๐.
Aminโny alalanโny Orinasam-panjakana SPM (State Procurement of Madagascar) no anatanterahanโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) ny toromariky ny Filohanโny Fanavaozana ny Repoblikanโi Madagasikara (PRRM), hahafahana mivarotra aminโny vidiny mora ireo fitaovana fampiasana aminโny fanorenana ho anโireo rava na simba trano sy fananana ao Toamasina.
Nanokatra ny famarotana tafo fanitso sy fantsika, tao Ankirihiry Bazar may, androany Alatsinainy 16 Febroary 2026, ny Prefenโi Toamasina sy ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Atsinanana ary ny Tale jeneralinโny SPM.
Mila mitondra karinem-pokontany sy karapanonondro ny mpisitraka hahafahana mitsinjara ireo fitaovana ireo ka hipร ka any aminโny vahoaka izao hetsika fifampitsinjovana izao.
