
๐ ๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐โ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐
๐ณ๐๐๐๐’๐๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
[๐ญ๐๐๐-17 ๐๐๐๐๐๐๐๐ 2026]
Notanterahina androany ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana famatsiam-bola tsy averina miisa telo, mitentina 370 lavitrisa ariary (73 tapitrisa euros), teo aminโny Repoblikanโi Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana. Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimรฉ, no nisolo tena ny Governemanta malagasy, raha ny Ambasadaoronโny Vondrona Eoropeana, Andriamatoa Roland Kobia, kosa no nisolo tena ny Vondrona Eoropeana.
Ny voalohany dia:
Tetikasa ACTE – 90 lavitrisa ariary: Hanamafisana ny fifaninanana eo aminโny sehatra tsy miankina, hanatsarana ny tontolonโny fandraharahana ary hampiroborobana ny fanondranana, ho fanohanana ny fitomboana ara-toekarena sy ny famoronana asa mendrika.
Ny faharoa :
Tetikasa Rano sy Fanadiovana ao Toamasina (PEAT) – 125 lavitrisa ariary : Hanatsarana ny fahafahanโny mponina misitraka rano fisotro madio sy tolotra fanadiovana, ho fanohanana ny fahasalamam-bahoaka sy ny fampandrosoana ara-toekarena any an-toerana.
Ny fahatelo :
Tetikasa PADIPAP – 145 lavitrisa ariary : Hanohanana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fahasamihafanโny zavamananaina, sady hampiroboroboany ny fidiram-bola maharitra ho anโireo vondrom-piarahamonina manodidina ny faritra arovana.
Ireo fifanarahana ireo dia manamafy ny fanohanana ny laharampahamehana nasiรดnaly, aminโny alalanโny fandraisana andraikitra mikendry ny fanamafisana ny fiovanโny rafitra ara-toekarena sy ny fitantanana maharitra ireo harena voajanahary, ao anatinโny fanatanterahana ny Pรดlitika Ankapobenโny Fanjakana. Nanambara ny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, fa aminโny alalanโizao fifanarahana izao no hanamafisanโny Fitondram-panjakana ny fanoloran-tenany aminโny fitantanana mangarahara sy ny maha tomponandraikitra azy aminโny fampiasana io loharanom-bola io.
Naneho firaisankina ihany koa ny Vondrona Eoropeana manoloana ny fahavoazana nateraky ny rivodoza, indrindra ho anโireo fianakaviana niharam-boina sy ireo mponina any aminโny faritra sy distrika voakasika. Nohamafisiny taminโizany ny fiaraha-mientana aminโi Madagasikara aminโny fiatrehana ny fanamby sy ny fanorenana hoavy maharitra sy azo antoka.
