
π ππππππ-πππππ ππ ππβππ π πππππππ πππ-πππππππππ ππ π πππππππππππππ πππππππππ
π³ππππ’ππ π΄ππππππππππ
[ππππ-17 ππππππππ 2026]
Notanterahina androany ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana famatsiam-bola tsy averina miisa telo, mitentina 370 lavitrisa ariary (73 tapitrisa euros), teo aminβny Repoblikanβi Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana. Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo AimΓ©, no nisolo tena ny Governemanta malagasy, raha ny Ambasadaoronβny Vondrona Eoropeana, Andriamatoa Roland Kobia, kosa no nisolo tena ny Vondrona Eoropeana.
Ny voalohany dia:
Tetikasa ACTE – 90 lavitrisa ariary: Hanamafisana ny fifaninanana eo aminβny sehatra tsy miankina, hanatsarana ny tontolonβny fandraharahana ary hampiroborobana ny fanondranana, ho fanohanana ny fitomboana ara-toekarena sy ny famoronana asa mendrika.
Ny faharoa :
Tetikasa Rano sy Fanadiovana ao Toamasina (PEAT) – 125 lavitrisa ariary : Hanatsarana ny fahafahanβny mponina misitraka rano fisotro madio sy tolotra fanadiovana, ho fanohanana ny fahasalamam-bahoaka sy ny fampandrosoana ara-toekarena any an-toerana.
Ny fahatelo :
Tetikasa PADIPAP – 145 lavitrisa ariary : Hanohanana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fahasamihafanβny zavamananaina, sady hampiroboroboany ny fidiram-bola maharitra ho anβireo vondrom-piarahamonina manodidina ny faritra arovana.
Ireo fifanarahana ireo dia manamafy ny fanohanana ny laharampahamehana nasiΓ΄naly, aminβny alalanβny fandraisana andraikitra mikendry ny fanamafisana ny fiovanβny rafitra ara-toekarena sy ny fitantanana maharitra ireo harena voajanahary, ao anatinβny fanatanterahana ny PΓ΄litika Ankapobenβny Fanjakana. Nanambara ny Praiminisitra, Lehibenβny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, fa aminβny alalanβizao fifanarahana izao no hanamafisanβny Fitondram-panjakana ny fanoloran-tenany aminβny fitantanana mangarahara sy ny maha tomponandraikitra azy aminβny fampiasana io loharanom-bola io.
Naneho firaisankina ihany koa ny Vondrona Eoropeana manoloana ny fahavoazana nateraky ny rivodoza, indrindra ho anβireo fianakaviana niharam-boina sy ireo mponina any aminβny faritra sy distrika voakasika. Nohamafisiny taminβizany ny fiaraha-mientana aminβi Madagasikara aminβny fiatrehana ny fanamby sy ny fanorenana hoavy maharitra sy azo antoka.
