𝙈𝙖𝙣𝙙𝙖𝙡𝙤 𝙖𝙨𝙖𝙢-𝙗𝙖𝙤𝙢𝙞𝙚𝙧𝙖 𝙚𝙣𝙮 𝙏𝙨𝙞𝙢𝙗𝙖𝙯𝙖𝙯𝙖 𝙣𝙮 𝙑𝙤𝙡𝙖𝙫𝙤𝙡𝙖𝙣-𝙙𝙖𝙡à𝙣𝙖 𝙢𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖-𝙢𝙖𝙨𝙤 𝙣𝙮 𝙧𝙚𝙛𝙮 𝙨𝙮 𝙡𝙖𝙣𝙟𝙖 (𝙢é𝙩𝙧𝙤𝙡𝙤𝙜𝙞𝙚 𝙡é𝙜𝙖𝙡𝙚) 𝙚𝙩𝙤 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖.
Ireo Solombavambahoaka mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Varotra sy Vaomiera misahana ny Lafiny Lalàna eny amin’ny Antenimieram-pirenena, miaraka amin’ny teknisiana avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) no mandinika isan’andininy ilay Volavolan-dalàna mikasika ny fanaraha-maso ny refy sy lanja eto Madagasikara nanomboka androany maraina.
Tonga teny Tsimbazaza nanokatra ny asam-baomiera niaraka tamin’ireo Filoham-baomiera ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON.
Mikasika mivantana ny fiainana andavanandron’ny vahoaka, ny rariny eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra ary ny andraikitry ny Fanjakana amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny mpanjifa moa ity Volavolan-dalàna momba ny fanaraha-maso ny refy sy lanja ity.
Ny rafitra misy ankehitriny dia mifototra amin’ny Didim-panjakana tamin’ny taona 1967 sy 1993. Ilaina, araka izany, ny manavao sy manamafy ny fototra ara-dalàna mba hifanaraka amin’ny filàna araka ny zava-misy sy toekarena ankehitriny.
