𝙈𝙖𝙣𝙤𝙝𝙮 𝙩𝙨𝙮 𝙩𝙖𝙥𝙖𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙙𝙞𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙩𝙨𝙚𝙣𝙖, 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙩𝙨𝙞𝙧𝙞𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙚𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙡𝙖𝙣𝙮 𝙙𝙖𝙩𝙮, 𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 (𝙈𝙞𝙣𝘾𝘾).
ATSIMO ANDREFANA : Kaominina 05 any amin’ny Distrikan’i Toliara 2 sy Morombe, amin’ny Lalam-pirenena RN9 iny, no nidinan’ ireo mpanaramaso ny varotra sy ny fifaninanana avy amin’ny DRCC Atsimo Andrefana, ny 17 hatramin’ny 20 Oktobra 2026. Mpandraharaha 65 no nanaovana asa fisavana ka nahatratrarana ireo entana lany daty 180 izay nahitana ranomboakazo, fanafody, bisky, savony, mitentina 1 246 000 Ar. Nogiazana avy hatrany ireo entana ireo.
IHOROMBE : Mpivarotra 5 tamin’ireo 13 nanaovana fitsirihana tao amin’ny Kaominina Ranohira, ny 20 Oktobra 2026, no nahatrarana entana lany daty. Nisy vatomamy 4 fonosana, zava-pisotro anaty boaty 03 sy anaty tavoahangy plastika 13, tavoahangy 03, spaghetti 04 fonosana, danica 01, ary saosy soja 01 ireo entana ireo. Nogiazana avokoa izy ireo, miandry ny fotoana hanatanterahana ny fanapotena faobe.
VAKINANKARATRA : Nandritra iny herinandro lasa iny dia nitohy hatrany ny asa fanaraha-maso ny entana amidy eny amin’ny tsena, tao Antsirabe 1. Fokontany telo no nandehanana ka mpaninjara 22 no nanaovana fisavana. Tratra tamin’izany ny entana lany daty zavapisotro amin’ny tavoahangy 11, fromazy 1 boaty, spaghetti 1 fonosana ary bisky isan-karazany 110 isa.
