๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฎ ๐๐ฃ๐๐๐ง๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ฉ๐ง๐๐ ๐๐จ๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐ฝ๐ค๐ฉ๐จ๐ฌ๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฃ๐๐ข๐๐๐๐จ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐๐ฏ๐-๐ข๐๐ฃ๐๐ค ๐ข๐ค๐ข๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐-๐ข๐๐จ๐ค ๐จ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ค๐ข๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐๐ฉ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ข๐๐ ๐๐จ๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ยซ ๐๐ง๐ค๐ฉ๐ค๐๐ค๐ก๐ ยป ๐๐ผ๐ฟ๐พ ๐ข๐ค๐ข๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ).
Mandritra ny telo andro no anatanterahana ity atrikasa any Gaborone, Botsawana ity, izay amondronanโny SADC ireo tomponandraikitra misahana ny fanaraha-maso sy fanombanana mikasika ny Protokola momba ny Varotra. Mandray anjara aminโizany ireo tomponandraikitra avy aminโny Foibem-pitondrana misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny Foibem-pitondrana momba ny fanaraha-maso sy fanaovana tombana eto anivonโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), tarihinโny Tale Holy RANDRIAMIFIDY sy Victor RABETAFIKA.
Mifantoka aminโny fanatsarana ny kalitaonโny angon-drakitra ara-barotra sy ny fanomanana ny tatitra ny fifanakalozan-kevitra, mba hahafahana manombana aminโny fomba mahomby kokoa ny fanatanterahanโireo firenena mpikambana ny andraikiny ao anatinโny SADC.
Anisanโny tanjonโny atrikasa ny fanamafisana ny fahaiza-manaonโireo tomponandraikitra sy ny fanatsarana ny rafitra fanaraha-maso sy fanombanana.
Zava-dehibe ho anโi Madagasikara izany satria ahafahana mamantatra ireo sakana mbola misy aminโny varotra ao anatinโny faritra SADC, manatsara ny fanaraha-maso ny fampiharana ny fifanarahana ara-barotra ary manamafy ny fahafahana misehatra ao anatinโizany tsena izany.
Nivoitra tao anatinโizany ny fanatsarana ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ny antontanโisa ara-barotra izay dingana lehibe hanohanana ny fampiharana mahomby ny fifanarahana, ny fampiroboroboana ny varotra malagasy ary ny fanamafisana ny fifaninanana eo aminโny tsena isam-paritra.
