
𝗡𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗔𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗵𝗼 𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗺𝗮𝘁𝗶𝗵𝗮𝗻𝗶𝗻𝗮, 𝘁𝗲𝘁𝘀𝘆 𝗔𝗻𝗼𝘀𝘆, 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝘀𝗲𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗠𝗽𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗮𝘀𝗼 𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗻𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮
Novelabelarin’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MCC) Haingotiana ANDRIAMADISON tamin’izy ireo ny fanatsarana sy fanavaozana ny asa momba ny fanaraha-maso ara-toekarena (contrôle économique) eny amin’ireo mpandraharaha ara-barotra. Anisan’ny andraikitra goavana sahanin’ireo kaomisera sy mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninanana (commissaires et contrôleurs du commerce et de la concurrence) ireo mantsy ny fanaraha-maso ara-toekarena.
Nifarimbona tamin’ny fampahatsiahivana ny fitsipika mifehy amin’ny fanatanterahana ny asa ireo tompon’andraikitra eto anivon’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana.
Tamin’ity Atrikasa tetsy amin’ny efitrano malalaky ny MEF etsy Anosy ity no nanamafisana fa ilaina ny fahamendrehana amin’ny fanaraha-maso izay atao. Ho amin’ny tombontsoan’ny vahoaka mpanjifa ny asan’ny mpanara-maso ka tokony ho ampahafantarina ny mpanjifa izay tokony ho fantany ho fiarovana azy. Anatin’izany ny mombamomba ny entam-barotra sy ny vidiny.
