
𝙉𝙖𝙣𝙤𝙢𝙗𝙤𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙫𝙖𝙧𝙤𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙛𝙤 𝙛𝙖𝙣𝙞𝙩𝙨𝙤 𝙨𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙩𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙫𝙞𝙙𝙞𝙣𝙮 𝙢𝙞𝙧𝙖𝙧𝙮 𝙣𝙤 𝙝𝙤 𝙣𝙮 𝙫𝙞𝙙𝙞𝙣𝙮 𝙩𝙖𝙡𝙤𝙝𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙍𝙞𝙫𝙤𝙙𝙤𝙯𝙖 𝙂𝙀𝙉𝘼𝙕𝙄, 𝙝𝙤 𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙤𝙣𝙞𝙣’𝙞 𝙏𝙤𝙖𝙢𝙖𝙨𝙞𝙣𝙖.
Amin’ny alalan’ny Orinasam-panjakana SPM (State Procurement of Madagascar) no anatanterahan’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) ny toromariky ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara (PRRM), hahafahana mivarotra amin’ny vidiny mora ireo fitaovana fampiasana amin’ny fanorenana ho an’ireo rava na simba trano sy fananana ao Toamasina.
Nanokatra ny famarotana tafo fanitso sy fantsika, tao Ankirihiry Bazar may, androany Alatsinainy 16 Febroary 2026, ny Prefen’i Toamasina sy ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Atsinanana ary ny Tale jeneralin’ny SPM.
Mila mitondra karinem-pokontany sy karapanonondro ny mpisitraka hahafahana mitsinjara ireo fitaovana ireo ka hipàka any amin’ny vahoaka izao hetsika fifampitsinjovana izao.
