๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฅ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฉ๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐ฎ, ๐๐ค ๐๐๐๐ง๐ค๐ซ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐๐, ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐ฃ๐ค๐ก๐ค๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐๐ค ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐ก๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐ฎ ๐ฉ๐ค๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ง๐ค๐ฃ๐ค๐ฃ๐ค ๐ข๐๐ฃ๐๐ง๐ฎ ๐ง๐ค๐ ๐ ๐๐ค๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐๐ง๐ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐๐๐ฃ๐๐.
BOENY : Efa lany daty taminโny volana Aprily 2026 avokoa ireo ronono mandry 2 kaontenera mihitsoka ao aminโny seranantsambonโi Mahajanga noho ny tsy fandoavanโny orinasa mpanafatra haban-tseranana. Nanaovanโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Boeny fitsirihana moa ireo entana ireo ny 07 Septambra 2026, araka ny fangatahanโny tomponโandraikitra (Receveur des Douanes). Rehefa izany dia naverina nohidiana ireo kaontenera ary nasiana tombo-kase. Mandeha ny fombafomba ara-panjakana rehetra izay tsy maintsy hiafara aminโny famotehana ireo ronono mandry lany daty ireo.
VAKINANKARATRA : Mpivarotra miisa 45 no nanaovanโny ekipanโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Vakinankaratra fanaraha-maso nandritra ny fidinany tany aminโny Distrikanโi Faratsiho. Tratranโizy ireo taminโny fisavana ny entana lany daty toy ny bisky 12 fonosana, ranom-boankazo 25 sy savony manitra.
IHOROMBE : Nahitana entana lany daty koa tao aminโny Fokontany Tanambao any Ihosy taminโny fisafoana nataonโny mpanara-maso avy aminโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana ny 07 Septambra 2026. Mpivarotra 5 no notsirihana ka ny 2 tamin’izy ireo dia nahitana chapelure miisa 3, ranom-boankazo 6 tavoahangy madinika ary zava-pisotro 6 hafa tavoahangy koa. Nogiazana ireo entana ireo ary nomena fampiantsoana ny mpivarotra iray anaovana fanadihadiana raha nomena fampitandremana ny iray.
