[10 hatramin’ny 13 Septembra 2026]
𝙏𝙖𝙣𝙟𝙤𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙞𝙨𝙖𝙣’𝙖𝙣𝙟𝙖𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 (𝙈𝙞𝙣𝘾𝘾) 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙄𝘼 𝙨𝙮 𝙁𝙄𝙂 2026 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙞𝙧𝙤𝙗𝙤𝙧𝙤𝙗𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙫𝙤𝙠𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙤𝙙𝙞𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙚𝙩𝙤 𝙖𝙣-𝙩𝙤𝙚𝙧𝙖𝙣𝙖, 𝙝𝙖𝙣𝙖𝙢𝙖𝙛𝙞𝙨𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙛𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙞𝙨𝙖𝙣𝙖 𝙚𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙢𝙤𝙠𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙩𝙨𝙚𝙣𝙖.
Tranoheva mihoatra ny 250 no anehoan’ireo mpisehatra amin’ny fambolena, fiompiana, jono, indostria, fanodinana ary sakafo ny vokany sy izay mampiavaka ny seha-pihariany avy mandritra izao FIA andiany faha-8 sy FIG izao.
Nandritra ny fanokafana teny amin’ny CCI Ivato no nanambaran’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON sady anisan’ny mpiahy ny hetsika fa ny kalitao no rohy mampifandray ny fambolena sy ny haitao ara-tsakafo izay avoitra mandritra ny efatra andro. Tsy afa-misaraka koa ny famokarana sy ny tsena. Antony nampirisihany ny mpandraharaha hanatsara hatrany ny vokatra sy ny tolotra, hanavao ary hifanaraka amin’ny filàn’ny mpanjifa.
« 𝘔𝘢𝘯𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘯𝘺 𝘪𝘻𝘢𝘩𝘢𝘺 𝘯𝘺 𝘩𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘵𝘰𝘺 𝘪𝘻𝘢𝘰 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘮𝘢𝘮𝘱𝘪𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘰𝘬𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢, 𝘯𝘺 𝘵𝘴𝘦𝘯𝘢, 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘪𝘯𝘥𝘳𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘫𝘪𝘧𝘢 », hoy ny Minisitra.
Nifandimby nandray fitenenana tamin’ny lanonam-panokafana ny FIA sy FIG teny Ivato ny tompon’andraikitra samihafa sy Mikambana telo ao amin’ny Governemanta. Mpikarakara ny hetsika ny MadaVision.
« 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒔𝒐, 𝒎𝒂𝒎𝒐𝒌𝒂𝒕𝒓𝒂, 𝒎𝒂𝒏𝒐𝒅𝒊𝒏𝒂, 𝒎𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒐𝒃𝒐𝒓𝒐𝒃𝒐 »
