𝙈𝙖𝙣𝙞𝙧𝙮 𝙝𝙖𝙣𝙖𝙢𝙖𝙛𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖-𝙢𝙞𝙖𝙨𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙞 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖 𝙚𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙨𝙚𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙖𝙢𝙞𝙝𝙖𝙛𝙖 𝙞 𝙍𝙤𝙨𝙞𝙖 𝙨𝙮 𝙎𝙞𝙣𝙖
Lanonana ofisialy nanasana vahiny maherin’ny 200, teny amin’ny Masoivohon’i Sina eto Antananarivo no nankalazana ny tsingerin-taonan’ny Fifanarahana momba ny fifandraisana tsara eo amin’ny mpifanolo-bodirindrina, ny finamanana ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny Federasionan’i Rosiana sy ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina.
Anisan’ireo nanome voninahitra izany teny an-toerana ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Siteny RANDRIANASOLONIAIKO, ny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON sy mpikambana vitsivitsy ao amin’ny Governemantany izay nahitana ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON.
Nandritra ny lahateniny, ny Mpiandraiki-draharaha vonjimaika rosiana eto Madagasikara, Alexeï BURIAK dia nanambara fa i Rosia sy Sina dia mihevitra ny tetikasan’izy ireo ho mifameno ka maniry ny hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny angovo, fambolena, fanabeazana, fahasalamana, fiarovana ara-tsakafo, ary koa ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy mahaolona.
Fotoana moa io nahafahan’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana sy ny Ambasadaoron’i Sina niresaka manokana momba ny fiaraha-miasa taorian’ny fihaonan’ny roa tonta tetsy Ambohidahy, herinandro lasa izay.
Nisy moa ny fijerena horonantsary fohy momba ny fivoaran’ny fifandraisana eo amin’i Rosia sy Sina tato anatin’ny taona vitsivitsy.
Teo koa ny seho ara-kolontsaina nataon’ny Fikambanan’ny Vehivavy Sinoa eto Madagasikara sy ny fampisehoana ny dihy rosiana «Lebédouchka» nataon’ireo mpianatra ao amin’ny sampam-pianarana teny rosiana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
