๐๐๐ง๐๐ฉ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐ค๐ฃ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ก๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ก๐๐ซ๐๐ฃ๐๐ก๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ผ๐๐ผ ๐จ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐๐ ๐ง๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐ข๐ฅ๐๐ข๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ก๐๐ซ๐๐ฃ๐๐ก๐.
Miakatra tsikelikely ny vidinโny lavanila maitso any aminโny Faritra SAVA sady mitombo ny lanjanโny vokatra raisinโireo mpividy.
Tafakatra hatrany aminโny 23000Ar no nividianโny Sociรฉtรฉ Vanilla Sourcing Group Mada Sarlu ny lavanila maitso bio tao Lavatsiraka, kaominina Antombana any aminโny distrikanโAntalaha taminโity Alakamisy 16 Jolay 2026 ity. Lavanila 8 taonina no noraisiny taminโizany.
Mbola ny Sociรฉtรฉ Vanilla Sourcing Group Mada Sarlu ihany koa no tonga nanangona ny vokatry ny tantsaha mpamboly lavanila tao Namohana-Tanandava, kaominina Ampobe, taminโny vidiny 11000Ar raha 10000Ar no nividianโny Sociรฉtรฉ Madagascar Flavors ny lavanila maitso iray kilao tao Ambohimarina, kaominina Sarahandrano, samy any aminโny distrikanโAntalaha.
Taminโny Zoma 10 Jolay 2026, na ny Sociรฉtรฉ Madagascar Flavors izay nidina tany Ambodiampana Sambava na ny Sociรฉtรฉ Authentic Product izay tonga tany Ambohimarina sy Amboangibe, any Maroambihy Sambava dia samy nividy taminโny 10000Ar.
