𝙈𝙞𝙙𝙞𝙣𝙞𝙠𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙖𝙛𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙫𝙖𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙧𝙖𝙣𝙩𝙨𝙖𝙢𝙖𝙣𝙜𝙖𝙞𝙠𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 (𝙈𝙞𝙣𝘾𝘾) 𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙧𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙝𝙖𝙣𝙙𝙧𝙞𝙣𝙙𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙖𝙩𝙨𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙩𝙨𝙚𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙖𝙩𝙨𝙞𝙖𝙣𝙖.
BOENY : Nampivory ireo mpanafatra vary ao Mahajanga tao amin’ny biraony ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Boeny ny Alarobia 08 Jolay 2026. Tamin’izany no nampahafantarana azy ireo ny momba ilay hetra vaovao amin’ny vary afarana Riz de luxe manana taham-pahavakivakiana 5% sy ny maha-tsy maharitra izany fepetra izany. Nilaza ireo mpandraharaha ireo fa hatreto aloha dia tsy misy ny eritreritra hanafatra vary satria mbola betsaka ny tahiry. Nantitranterina ihany koa ny fanaovana hatrany ny fanambaràna tahiry ary nampahafantarina ny fisian’ilay Didim-pitondrana vaovao momba izany. 100000Ar/gony ny vidin’ny vary « 25% de brisure » ary 104000Ar ny 5% any Mahajanga amin’izao fotoana izao.
ATSIMO ATSINANANA : Nidina teny an-tsena ao antampon-tanànan’i ny Farafangana Nny ekipan’ny DRCC Atsimo Atsinanana nijery ny momba ny vidim-bary izay tsikaritra ho nisy fiakarany tsy ara-drariny. Taorian’ny fanamarinana ny faktiora teo am-pelatanan’ireo mpivarotra dia voamarina fa tsy mbola tokony hihoatra ny 115000Ar ny iray gony. Noho izany dia nasaina naverina tamin’ny laoniny moa ny vidin’ny vary. Hisy ny fampivoriana ireo mpamongady miaraka amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny prefektiora ny Alatsinainy13 Jolay 2026 izao hampahafantarana ny fepetra tsy maintsy hanaovana fanambaràna tahirim-bary.
IHOROMBE : Tamin’ny alalan’ny Onjam-peo no nampahafantaran’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Ihorombe ny mikasika ny Didim-pitondrana momba ny fanambaràna tahiry. Niarahany tamin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Ihosy izany. Nentanina ireo mpamongady sy mpanangom-bokatra hanaja ny fepetra. Nanararaotra izao fiakarana tao amin’ny radio izao nitondra fanazavana mikasika ireo fitsipika mifehy ny varotra, fanaraha-maso ny fitaovam-pandajana sy ny kapoaka, ny fiarovana ny mpanjifa, ny fanajana ny kalitaon’ny entana amidin’ireo mpivarotra.
