๐๐๐ฃ๐๐ค ๐ฃ๐ฎ ๐๐ฏ๐๐ ๐ ๐ง๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ก๐๐ซ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐จ๐๐ข๐๐ ๐จ๐ฎ ๐ก๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐๐ค ๐๐๐๐ง๐ค๐ซ๐๐ฃ๐ ๐๐ฏ๐ฎ ๐๐ง๐๐ค.
IHOROMBE : Notanterahana ny 02 Jolay 2026 tao aminโny toby fanariam-pakonโny Kaominina ambonivohitra Ihosy ny fandoroana sy fandevonana ireo entana lany daty voaangona hatraminโny taona 2025. Cube sauce, ranomboankazo, bisky, vatomamy, couche bรฉbรฉ, ronono mandry mamy no betsaka taminโireo karazanโentana nolevonina ireo. Naharitra ora roa sy sasany ny fanatontosana izany.
VAKINANKARATRA : Nandritra ny roa andro ny fitsirihana ireo entana amidy rehetra eny amin’ireo toeram-pivarotana eny aminโny toby fitsinjarana solika ao Antsirabe. Nahitana entana lany daty isan-karazany toy ny ranomboakazo aminโny tavoahangy kely 3, dot 4 miisa 12, kojakoja fampiasa aminโny fiara 12, bisky 3, yaourt 7, savony ranony 2, chips 2 sy entana hafa koa ireo toeram-pivarotana 11 nandalovanโny mpanaramaso avy aminโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Vakinankaratra. Nogiazana avy hatrany ireo entana rehetra lany daty ary nirosoana fombafomba fanao ara-panjakana aminโny toe-javatra toy izao.
MELAKY : Tany aminโny Kaominina ambanivohitra Morafenobe dia mpivarotra mpaninjara sy fivarotam-panafody (dรฉpรดt de mรฉdicaments) no nanatanterahanโny mpanaramaso avy aminโny Fitaleavam-paritra Melaky ny asany. Noesorina avy hatrany ireo bisky lany daty 2 fonosana miampy singany 4 tratra nandritra ny fisafoana. Noentanina ny fivarotam-panafody hikarakara ny taratasy hahatomombana ny fahafahany manao izany.
FITOVINANY : Nisy ny fanaraha-maso ny entana amidy eny amin’ny tsena tao amin’ny Bazar Tanambao any Manakara. Mpivarotra maromaro no nanaovana ny fisavana fa tsy nahitana entana lany daty tao aminโizy ireo. Namory ihany koa ireo mpivaro-kena miisa 22 tao Manakara ny ekipanโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana nanentanana azy ireo mahakasika ny fanarahan-dalร na.
ANOSY : Sakafo simba noho ny fitahirizana milanja 40 taonina, ahitana vary, ampemby (sorgho), voanemba maina voavaky (pois cassรฉ), vovo-katsaka misy vitamina, no nodorana tamin’iny herinandro lasa iny. Ny tomponโny entana ihany no nanambara ny fisian’izany fahasimbana izany. Niarahana nanao ny fitiliana, ka rehefa nivaly izany dia nambara fa tsy azon’olombelona hohanina intsony ireo sakafo ireo.
