๐๐๐๐๐ฃ๐๐ ๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐๐ง๐๐๐ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐ซ๐๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ง๐๐ฃ๐ฉ๐จ๐๐ข๐๐ฃ๐๐๐๐ ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐๐ฉ๐จ๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐๐ฉ๐จ๐๐๐ฃ๐.
BOENY : Nampivory ireo mpanafatra vary ao Mahajanga tao aminโny biraony ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Boeny ny Alarobia 08 Jolay 2026. Taminโizany no nampahafantarana azy ireo ny momba ilay hetra vaovao aminโny vary afarana Riz de luxe manana taham-pahavakivakiana 5% sy ny maha-tsy maharitra izany fepetra izany. Nilaza ireo mpandraharaha ireo fa hatreto aloha dia tsy misy ny eritreritra hanafatra vary satria mbola betsaka ny tahiry. Nantitranterina ihany koa ny fanaovana hatrany ny fanambarร na tahiry ary nampahafantarina ny fisianโilay Didim-pitondrana vaovao momba izany. 100000Ar/gony ny vidinโny vary ยซ 25% de brisure ยป ary 104000Ar ny 5% any Mahajanga aminโizao fotoana izao.
ATSIMO ATSINANANA : Nidina teny an-tsena ao antampon-tanร nanโi ny Farafangana Nny ekipanโny DRCC Atsimo Atsinanana nijery ny momba ny vidim-bary izay tsikaritra ho nisy fiakarany tsy ara-drariny. Taorianโny fanamarinana ny faktiora teo am-pelatananโireo mpivarotra dia voamarina fa tsy mbola tokony hihoatra ny 115000Ar ny iray gony. Noho izany dia nasaina naverina taminโny laoniny moa ny vidinโny vary. Hisy ny fampivoriana ireo mpamongady miaraka amin’ny tomponandraikitra ao aminโny prefektiora ny Alatsinainy13 Jolay 2026 izao hampahafantarana ny fepetra tsy maintsy hanaovana fanambarร na tahirim-bary.
IHOROMBE : Taminโny alalanโny Onjam-peo no nampahafantaranโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Ihorombe ny mikasika ny Didim-pitondrana momba ny fanambarร na tahiry. Niarahany taminโny Antenimieranโny Varotra sy Indostria (CCI) Ihosy izany. Nentanina ireo mpamongady sy mpanangom-bokatra hanaja ny fepetra. Nanararaotra izao fiakarana tao aminโny radio izao nitondra fanazavana mikasika ireo fitsipika mifehy ny varotra, fanaraha-maso ny fitaovam-pandajana sy ny kapoaka, ny fiarovana ny mpanjifa, ny fanajana ny kalitaon’ny entana amidin’ireo mpivarotra.
