
𝐅𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀-𝐌𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐓𝐎𝐄𝐊𝐀𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀
𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐
[𝑭𝒂𝒉𝒂-17 𝒇𝒆𝒃𝒓𝒐𝒂𝒓𝒚 2026]
Notanterahina androany ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana famatsiam-bola tsy averina miisa telo, mitentina 370 lavitrisa ariary (73 tapitrisa euros), teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana. Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, no nisolo tena ny Governemanta malagasy, raha ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana, Andriamatoa Roland Kobia, kosa no nisolo tena ny Vondrona Eoropeana.
Ny voalohany dia:
Tetikasa ACTE – 90 lavitrisa ariary: Hanamafisana ny fifaninanana eo amin’ny sehatra tsy miankina, hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ary hampiroborobana ny fanondranana, ho fanohanana ny fitomboana ara-toekarena sy ny famoronana asa mendrika.
Ny faharoa :
Tetikasa Rano sy Fanadiovana ao Toamasina (PEAT) – 125 lavitrisa ariary : Hanatsarana ny fahafahan’ny mponina misitraka rano fisotro madio sy tolotra fanadiovana, ho fanohanana ny fahasalamam-bahoaka sy ny fampandrosoana ara-toekarena any an-toerana.
Ny fahatelo :
Tetikasa PADIPAP – 145 lavitrisa ariary : Hanohanana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fahasamihafan’ny zavamananaina, sady hampiroboroboany ny fidiram-bola maharitra ho an’ireo vondrom-piarahamonina manodidina ny faritra arovana.
Ireo fifanarahana ireo dia manamafy ny fanohanana ny laharampahamehana nasiônaly, amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra mikendry ny fanamafisana ny fiovan’ny rafitra ara-toekarena sy ny fitantanana maharitra ireo harena voajanahary, ao anatin’ny fanatanterahana ny Pôlitika Ankapoben’ny Fanjakana. Nanambara ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, fa amin’ny alalan’izao fifanarahana izao no hanamafisan’ny Fitondram-panjakana ny fanoloran-tenany amin’ny fitantanana mangarahara sy ny maha tomponandraikitra azy amin’ny fampiasana io loharanom-bola io.
Naneho firaisankina ihany koa ny Vondrona Eoropeana manoloana ny fahavoazana nateraky ny rivodoza, indrindra ho an’ireo fianakaviana niharam-boina sy ireo mponina any amin’ny faritra sy distrika voakasika. Nohamafisiny tamin’izany ny fiaraha-mientana amin’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny fanamby sy ny fanorenana hoavy maharitra sy azo antoka.
