๐๐๐ฉ๐ค๐ข๐๐ค๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ซ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐๐ง๐๐ฃ๐๐จ๐๐ข-๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐ ๐๐ฃ๐ ๐๐๐ ๐ซ๐๐ง๐ฎ ๐ข๐๐ซ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐จ๐๐๐ ๐ข๐ฅ๐๐ข๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ค๐ข-๐๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐
Teny Imerintsiatosika no nisantarana ny fividianan’ny SPM (State Procurement of Madagascar) ny vary akotry eny amin’ny tantsaha sy mpanangom-bokatra, amin’ny vidiny ara-drariny. Vahaolana notanterahan’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), araka ny toromariky ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara (PRRM), nanoloana ny fitarainan’ireo mpisehatra ireo amin’ny fidinan’ny vidin’ny vary ambany dia ambany eny amin’izy ireo.
Nialohavan’ny Atrikasa nifanakalozan-kevitra notarihin’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON, tao amin’ny Espace JEROSALEMA Imerintsiatosika izany. Fihaonana nandrasan’ireo Solombavambahoaka voafidy tao Arivonimamo Pierre Aimรฉ RAKOTONDRABESA, voafidy tao Tsiroanomandidy Harson RAHOLIJAONA sy Lucien RANARIVELO ary ny Solombavambahoakan’i Fenoarivobe Bien Aimรฉ Arsรจne RANDRIANARISOA anjara. Teo koa ny avy amin’ny Rafitra fampisamboram-bola SECAM ary ny mpanangom-bokatra sy tantsaha mpamokatra avy amin’ny Faritra Itasy sy Bongolava.
ยซย Ny tonga lafatra tsy misy fa ny zava-dehibe dia nahita vahaolana isika androanyย ยป, hoy ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON raha namarana ny Atrikasa.
Nambaran’ny Solombavambahoaka ny fahafaha-pony tamin’ny fihaonana. ยซย Afa-po izahay tamin’ny androany fa ho arahinay maso ny fampiharanaย ยป, hoy ny Solombavambahoaka Lucien RANARIVELO.
Nantitranterina nandritra ny fifanatrehana fa anatin’ny mangarahara tanteraka no anatanterahana izao vahaolana ho an’ny tantsaha mpamokatra sy mpanangom-bokatra izao.
