
๐๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐๐ฒ๐ฏ๐ผ๐ธ๐ฎ ๐ป๐ถ๐๐ผ๐ป๐ด๐ฎ๐ฑ๐ถ๐ป๐ฎ ๐ป๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐ถ๐๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐ ๐ถ๐ป๐ถ๐๐ถ๐๐ฟ๐ ๐ป๐ ๐๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฟ๐ผ๐ฏ๐ผ๐ฟ๐ผ๐ฏ๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐๐ป๐ฑ๐ผ๐๐๐ฟ๐ถ๐ฎ ๐๐ ๐ป๐ ๐๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐๐ฒ๐น๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ฆ๐ฒ๐ต๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐๐ ๐ ๐ถ๐ฎ๐ป๐ธ๐ถ๐ป๐ฎ, ๐ฅ๐๐ฆ๐ข๐๐ฅ๐๐๐ข๐ก๐ ๐๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐ป๐ถ๐ฎ๐ถ๐ป๐ฎ ๐ณ๐ถ๐๐ฒ๐ป๐ฒ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ฒ๐๐๐ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ป๐๐ฒ๐ป๐ถ๐บ๐ถ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐ป-๐ฑ๐ผ๐ต๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ฎ
Fanarenana ny orinasa SECREN : Tafiditra tao anaty lahadiniky ny Filan-kevitry ny Governemanta izany. Antony lehibe tsy mampiodina ny orinasa ny olana ara-pitantanana izay mahatonga fiantraikany eo aminโny ara-bola sy ara-pitaovana. Hojerenโny rafi-panjakana araka izany ny fandravonana io olana ara-pitantanana io ary koa ny rafitra ara-tsosialy. Tsy ny orinasa SECREN ihany fa ireo orinasa ara-panjakana hafa ihany koa.
Fandaharanasa ODOF (One District One Factory) : Miainga aminโny famokarana ny sanda fanampiny ny fampandrosoana. Nisy ny fandihadiana teny anivonโny orinasa ODOF efa napetraka ka namoahana drafitra fanarenana ho fampandehanana azy ireny. Miisa 32 ireo milina eny anivonโizy ireny ary mandeha tsara ankehitriny. Mampiasa olona manodidina ny 400 izy ireo ary miteraka fidiram-bola mitentina 120 hatraminโny 130 tapitrisa Ariary isan-taona. Misy ny fepetra fanohanana avy aminโny MIDSP hampandehanana ny orinasa ODOF rehetra aminโity fanavaozana ity izay hifantohanโny Minisitera tanteraka. Nisitraka fampiofanana mikasika ny fitantanana ankapobeny sy ny fitantanana ara-bola ireo mpitantana izay namoahana mason-tsivana ahafahanโizy ireo mahazo ny fitantanana ny orinasa nanomboka ny volana lasa teo.
Fametrahana drafitra fanarenana ny orinasa SIRANALA / KAFEMA sy ny orinasam-panjakana hafa : Ny fanatsarana ny tontolonโny fandraharahana sy ny tontolonโny fampiasam-bola ahafahanโireo mpisehatra rehetra miasa am-pitoniana no tsy maintsy mipetraka tsara. Milamina ny fepetra sy ny fenitra rehetra dia milamina avokoa ny ambiny. Izany indrindra no hijerenanโny rafi-panjakana akaiky ireo drafitra sy fenitra rehetra takiana aminโizany : ny Lalร na mifehy ny fampandrosoana ara-indostrialy izay miandry ny didim-panjakana fampiharana azy ; ny fampiharana ny fifanarahana fandraisana andraikitra ara-indostrialy (pacte de lโindustrialisation) eo aminโny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina izay arahinโny Conseil National pour lโIndustrialisation de Madagascar (CNIM) maso ny fanatanterahina azy ; ny fananganana ny Fonds National pour le Dรฉveloppement Industriel (FNDI) izay fitaovana mametraka rafitra ara-bola sy mitondra tohana ny orinasa madinika sy salantsalany. Ny tanjona sy ny lalan-tsaina apetraka mandrakariva moa dia ny hoe famoronana asa ateraky ny sehatra indostrialy.
Fanaovana ny Fikaonan-doha-pirenena ho anโny fanarenana ara-toekarena : hiarahanโny MEF sy MIDSP ary ireo mpisehatra aminโny sehatra tsy miankina mikarakara hijerena vahaolana sy lalan-tsaina iombonana eo aminโny resaka fifaninanana iraisam-pirenena, ny lafinโny famokarana tsara kokoa. Ireo fehin-kevitra hivoaka aminโio fikaonan-doha-pirenena io no ho lasa tondro zotra imasoanโny asa rehetra eto anivonโny MIDSP.
