๐๐ค๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐๐ฉ๐จ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐พ๐๐ง๐ก๐ฉ๐ค๐ฃ ๐ผ๐ฃ๐ค๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ค๐ข๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ค๐ข๐๐๐๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐ ๐๐ฅ๐ค๐๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ฉ๐๐ฉ๐๐ โ๐๐จ๐ ๐ซ๐๐ฉ๐จ๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ฃ๐๐ง๐ค๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ฝ๐๐ฃ๐ ๐ฎ ๐๐ง๐๐๐จ๐๐ข-๐ฅ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ซ๐ค๐ก๐.
Tanjona taminโity fihaonana ity ny handinihana ny fandrosoanโireo tetikasa, ny vokatra azo ary ireo olana sedraina, mba hanatsarana sy hanafainganana ny fanatanterahana azy ireo, hampitomboana ny fiantraikany, hahazoana vokatra tsara ho anโny fampandrosoana ny Firenena. Tafiditra ao anatinโizany ihany koa ny famolavolana fomba fiaraha-miasa mahomby eo aminโny Governemanta Malagasy sy ny Banky Iraisam-pirenena, hanamorana ny fanatanterahana ireo tetikasa.
Nitarika io fivoriana io ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) Herinjatovo Aimรฉ RAMIARISON sy ny Solontena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara, Atou Seck. Nanatrika sy nandray anjara taminโizany ireo Minisitra sy tomponโandraikitra avy aminโny Ministera isan-tsokajiny. Anisanโizany ny Minisiteranโny Varotra sy Fanjifana (MinCC), izay nosoloinโny Talenโny Kabinetra, Navalona Rafanoharana RANDRIANAIVOJAONA, tena.
Nivoitra nandritra izany fa zava-dehibe ny fanatanterahana ara-potoana ireo tetikasa, indrindra fa ireo mifandraika aminโny fotodrafitrasa toy ny lalana. Anisanโireo sehatra nojerena manokana ny fanovana maharitra sy ny fanatsarana ny fahazoana angovo, ny fitaterana, ny fampandrosoana an-tanร n-dehibe, ny fiatrehana ny vokatry ny rivodoza Gezani sy Fitia, ny fahasalamam-bahoaka, ny fampitomboana ny vokatra ara-pambolena, indrindra aminโny alalanโny Tetikasa Riz Plus, ary ny fanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio.
