VAKINANKARATRA : Nanaovan’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Vakinankaratra hetsika manokana ireo fitaovam-pandanjana ampiasaina amin’ny fivarotana hena, legioma ary trondro maina ao an-tsena Sabotsy ao Antsirabe.
Ny mizana 117 tamin’ireo 150 nandalo fitsarana dia tsy maintsy nasiam-panamboarana avokoa vao nahazo fanamarinana. 33 ihany no lany avy hatrany. Nahatratra 775 koa ny vatomizana notsaraina nandritra izany.
ITASY : Nidina nitsara fitaovam-pandanjana tany amin’ny Kaominina Sarobaratra ao amin’ny Distrikan’i Miarinarivo ny ekipa mpanara-maso ny varotra ao amin’ny DRCC Itasy ny 19 sy 20 Oktobra 2026. Tamin’ireo mizana 26 notsaraina dia 15 no lany avy hatrany. Mizana Roberval 9 sy mizana bascule 2 no tsy maintsy nampanamboarina.
Ankoatra ireo dia vatomizana 26 no nahafeno fepetra raha nampandalovina fanamboarana kosa ny 8.
MATSIATRA AMBONY : Lany tsy nasiam-panamboarana avokoa ireo mizana 5 tao an-tsena Anjoma ao Fianarantsoa rehefa nidina nitsara mizana teny ny Sampandraharaha misahana ny fitaovam-pandanjana sy fitaovam-pandrefesana ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ny 08 Oktobra 2026. Mizana Roberval 3 sy bascule 2 ireo nanaovana fitsirihana tampoka ireo.
