๐๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ง๐๐ฎ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐๐๐ข๐ฅ๐๐ฏ๐๐ง๐ ๐ฉ๐ง๐๐๐ ๐๐๐, ๐ข๐๐๐๐ฃ๐๐ ๐๐ก๐ค ๐๐๐ซ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ง๐ฎ ๐๐๐๐๐ฉร ๐ฃ๐ ๐ซ๐๐๐๐ค๐ก๐๐ฃ๐ ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ก๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ค๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐.
Mandritra ny efatra andro no hampirantiana, eny aminโny CCI Ivato, ireo tolotra sy vahaolana ho anโireo liana aminโny fanorenana trano. Anjatony ireo mpisehatra aminโny taotrano sy fanorenana mandray anjara aminโity hetsika ity.
Omaly 22 Oktobra no nosokafana taminโny fomba ofisialy ny andiany faha-27 aminโny Salon International de lโHabitat (SIH) karakarainโny Madavision. Anisanโny mpiahy izany ny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) izay nosoloinโny Sekretera jeneraly Gilchrist RAKOTOSON tena nandritra ny lanonam-panokafana.
Ho anโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana dia anisanโny fanatanterahana ny iraka sahaninโny Minisitera aminโny fampiroborobona ny fifanakalozana ara-barotra eto an-toerana sy any ivelany ny fanohanana ny SIH.
Lohahevitry ny Salon International de lโHabitat 2026 ny hoe : ย ยป ๐๐ข๐ฅ๐ข๐จ๐ข๐ด๐ช๐ฌ๐ข๐ณ๐ข ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฐ๐ด๐ฐ, ๐ฎ๐ช๐ด๐ข๐ช๐ฏ๐ข ๐ด๐บ ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ฐ๐ณ๐ช๐ฏ๐ข ๐ต๐ฐ๐ฆ๐ณ๐ข๐ฎ-๐ฑ๐ฐ๐ฏ๐ฆ๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ฉ๐ฐ ๐ข๐ท๐บ ยซย .
Ankoatra ny fandaharam-potoana samihafa dia anisanโny hampiavaka ity foara izay tsy hifarana raha tsy aminโny 25 Oktobra ity, ny fisianโny ยซ speed recruiting ยป ho anโireo izay mitady asa eo aminโny lafinโny fanorenana.
