๐๐ฅ๐๐๐ง๐-๐ข๐๐๐จ๐ ๐ซ๐๐๐๐ซ๐๐ซ๐ฎ ๐ข๐๐๐จ๐ 60 ๐ฃ๐๐๐๐ฏ๐ค ๐๐๐ฉ๐๐ก๐๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐๐ข๐๐๐ข๐ฅ๐ค๐๐ฃ๐ ๐ข๐ค๐ข๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ข๐๐ข๐๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐ค๐ฏ๐ค๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐ง๐๐ฃ๐ค๐ฃ-๐๐๐ฏ๐ ๐ฉ๐๐ฉ๐ค ๐๐ฃ๐๐ซ๐ค๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ).
ยซ ๐ก๐ข๐ท๐ข-๐ฅ๐ฆ๐ฉ๐ช๐ฃ๐ฆ ๐ฏ๐บ ๐ฉ๐ฆ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ฎ๐ช๐ซ๐ฆ๐ณ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ข๐ฉ๐ข-๐ฐ๐ญ๐ฐ๐ฏ๐ข ๐ต๐ฐ๐บ ๐ช๐ป๐ข๐ฐ, ๐ด๐ข๐ต๐ณ๐ช๐ข ๐ช๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ช๐ป๐ข๐ฐ ๐ฏ๐ฐ ๐ฎ๐ข๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฐ๐ด๐ฐ ๐ช๐ต๐บ ๐๐ช๐ฏ๐ช๐ด๐ช๐ต๐ฆ๐ณ๐ข ๐ข๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ช๐ต๐บ, ๐ฎ๐ช๐ข๐ด๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ฆ๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข. ยป Hafatra avy amin’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON, nampitaina tamin’ny mpiara-miasa nandritra ny fankalazana ny Octobre Rose, ny Zoma 23 Oktobra 2026, teo aminโny tokotany malalaky ny Minisitera teto Ambohidahy.
Tao anatinโity hetsika ity dia mpiara-miasa vehivavy miisa 60 no nisoratra anarana sy nanao fitiliana maimaimpoana momba ny homamiadanโny vozonโny tranon-jaza.
Nisy ihany koa ny fanentanana nataonโny mpiasanโny fahasalamana momba ny maha-zava-dehibe ny fitiliana ho fisorohana sy famantarana mialoha ny aretina. Nohamafisina fa maimaimpoana mandritra ny taona ny fitiliana eny aminโny CSB II.
Nisolo tena ny Minisitra nandritra ny hetsika ny Sekretera jeneralinโny Minisitera, Gilchrist RAKOTOSON. Nanotrona azy ny, Tale jeneralinโny Varotra Ivelany (DGCE), Tiava RAJOHNSON, sy ny Talenโny Fitantanana ny Mpiasa (DRH), Enintsoa VALIMBAVAKA. Nanatrika ny hetsika ireo mpiara-miasa eto anivonโny Minisitera.
Ny Octobre rose moa dia hetsika fanentanana tanterahina a mandritra ny volana Oktobra isan-taona, entina hampahafantarana ny olona ny momba ny homamiadana, hampirisihana ny fanaovana fitiliana mialoha ary hanohanana ireo olona voanโio aretina io.
