𝙈𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙚𝙥𝙚𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙖𝙣𝙙𝙧𝙞𝙛𝙮, 𝙝𝙤 𝙛𝙞𝙖𝙧𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖, 𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙤𝙡𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙚𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙡𝙖𝙣𝙮 𝙙𝙖𝙩𝙮 𝙩𝙤𝙮 𝙣𝙮 𝙧𝙤𝙣𝙤𝙣𝙤 𝙢𝙖𝙣𝙙𝙧𝙮 𝙧𝙤𝙖 𝙠𝙖𝙤𝙣𝙩𝙚𝙣𝙚𝙧𝙖 𝙩𝙖𝙣𝙮 𝙈𝙖𝙝𝙖𝙟𝙖𝙣𝙜𝙖.
BOENY : Efa lany daty tamin’ny volana Aprily 2026 avokoa ireo ronono mandry 2 kaontenera mihitsoka ao amin’ny seranantsambon’i Mahajanga noho ny tsy fandoavan’ny orinasa mpanafatra haban-tseranana. Nanaovan’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Boeny fitsirihana moa ireo entana ireo ny 07 Septambra 2026, araka ny fangatahan’ny tompon’andraikitra (Receveur des Douanes). Rehefa izany dia naverina nohidiana ireo kaontenera ary nasiana tombo-kase. Mandeha ny fombafomba ara-panjakana rehetra izay tsy maintsy hiafara amin’ny famotehana ireo ronono mandry lany daty ireo.
VAKINANKARATRA : Mpivarotra miisa 45 no nanaovan’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Vakinankaratra fanaraha-maso nandritra ny fidinany tany amin’ny Distrikan’i Faratsiho. Tratran’izy ireo tamin’ny fisavana ny entana lany daty toy ny bisky 12 fonosana, ranom-boankazo 25 sy savony manitra.
IHOROMBE : Nahitana entana lany daty koa tao amin’ny Fokontany Tanambao any Ihosy tamin’ny fisafoana nataon’ny mpanara-maso avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana ny 07 Septambra 2026. Mpivarotra 5 no notsirihana ka ny 2 tamin’izy ireo dia nahitana chapelure miisa 3, ranom-boankazo 6 tavoahangy madinika ary zava-pisotro 6 hafa tavoahangy koa. Nogiazana ireo entana ireo ary nomena fampiantsoana ny mpivarotra iray anaovana fanadihadiana raha nomena fampitandremana ny iray.
