Fanaovana sonia ny Fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny Kakao 2026
Hisy ny lanonana ofisialy fanasoniavana ny Fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny Kakao 2026, karakarain’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana miaraka amin’ny Filankevitra Nasionaly momba ny Kakao (CNC), ny Alakamisy 27 Aogositra 2026 amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny Hôtel Colbert, Antaninarenina.
Zava-dehibe ho an’i Madagasikara izany amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho fampandrosoana maharitra ny sehatry ny kakao.
Ny Fifanarahana dia manome lanja ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mpamokatra sy ny fidiram-bolany, ny fitadiavana vidiny mahafa-po kokoa, ary ny fanatsarana ny kalitao sy ny fahafahana manaraka ny lalan’ny vokatra (traçabilité). Tanjona ihany koa ny hampiroborobo ny fanodinana ny kakao sy ny famoronana tombam-bidy eto an-toerana, mba hahatonga ny sehatra ho maharitra sy hifaninana kokoa.
Ho an’i Madagasikara, ity dingana ity dia hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny ICCO, hampitombo ny lanjan’ny kakao malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ary hanampy amin’ny famoronana tombontsoa bebe kokoa ho an’ny mpamokatra. Mifanaraka amin’ny ezaka ataon’ny Governemanta ihany koa izany amin’ny fanamafisana sy fanatsarana ny sehatry ny fambolena fanondrana ary ny fampidirana azy ao anatin’ny rojom-pamokarana iraisam-pirenena.
