๐๐๐ข๐ฅ๐๐๐๐๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐๐ง๐๐๐ ๐ฃ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ผ๐๐ ๐ผ๐ฃ๐๐๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ผ๐๐ผ-3 ๐๐ง๐๐ค ๐ฉ๐ค๐ข๐๐ค๐ฃ๐ฉ๐จ๐ค๐ ๐๐ฏ๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ค๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ฉ๐ ๐๐๐ง๐๐ ๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ข๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐๐ ๐ ๐๐ฏ๐๐ฃ๐ฎ.
Taminโny alalanโny Famelabelarana narahina adihevitra nandritra ny adim-pamataranandro roa no nanatanterahanโny ekipanโny Tetikasa fanohanana ny Faritra malalaka ara-barotry ny Kaontinanta afrikana (PA-ZLECAf) sy ny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) izany.
Ankoatrโireo tombontsoa sy fanararaotra omenโny ZLECAf sy ireo fifanarahana iraisam-pirenena samihafa dia nohazavaina koa ireo fepetra tokony ho hajainโny mpandraharaha malagasy hahafahany mifaninana eo aminโny tsena ivelanโi Madagasikara.
Hita taratra taminโny fanontaniana napetrakโireo mpanatrika fa nahaliana azy ireo ny famelaberana izay natao.
Nisy ihany koa moa ny fizarana fomba fiasa nataonโny Sampandraharaham-paritra momba ny Kalitao sy ny Fonosana (SRQC) Boeny mikasika ireo dingana arahina aminโny fanondranana Lojy fotsy mainty maso na black eyes.
