𝙉𝙤𝙨𝙤𝙠𝙖𝙛𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙤𝙛𝙞𝙨𝙞𝙖𝙡𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙫𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙖𝙧𝙖-𝙥𝙤𝙩𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙧𝙤𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘼𝙣𝙩𝙚𝙣𝙞𝙢𝙞𝙚𝙧𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙧𝙚𝙣𝙚𝙣𝙖
Volavolan-dalàna miisa 7 no voafaritry ny Didim-panjakana ho dinihina sy ho laniana mandritra izao fivoriana tsy ara-potoana izay tsy hihoatra ny 12 andro izao.
Nambaran’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Siteny RANDRIANASOLONIAIKO fa ny tombontsoa ambony ho amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka malagasy no tokony hibaiko. Nomarihiny fa atao anaty mangarahara ny fivoriana ary azon’ny rehetra harahina.
Nitarika ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta nanotrona ny lanonam-panokafana ny fivoriana teny Tsimbazaza ny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON. Nanatrika izany koa ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON.
