๐๐๐ง๐๐ฎ ๐๐๐ค ๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ฅ๐๐๐๐ฃ-๐ ๐๐ซ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ค๐ง๐๐๐จ๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ก๐๐ฃ๐ ๐๐ซ๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ง๐๐ค ๐๐๐ ๐๐ข๐๐๐ฃ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐๐ง๐ค ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐๐.
MZMM, AVDCC, GARDUC, FIMZOMPAM, FIMPA, RNDC, FIMPAMA, SCAE-PC, FOMZMPM, VONZOM. Fikambanana 10 ivondronanโireo mpiaro ny zonโny mpanjifa no naneho ny fankasitrahany ny fepetra fampiatoana vonjimaika ny fampiharana ny haban-tseranana sy hetra aminโny fanafarana vary avy any ivelany.
Nambaranโizy ireo fa aminโny fotoana mahamety azy ny fandraisana ny fanapahan-kevitra satria ยซ tsy mahasehaka ny filanโny mpanjifa ny voka-bary eto Madagasikara ยป. Hananamafy ny fitsinjovana ny mpanjifa satria hanome azy safidy malalaka na aminโny kalitao na aminโny vidinโny vary koa izany.
Ho anโAndriamatoa Eugรจne RATSIMBAZAFY, filoham-pikambanana mpiaro ny zonโny mpanjifa dia hanome vahana ny fifaninanana ny fampitsaharana vonjimaika ny fakร na hetra aminโny vary hafarana. Ilaina anefa ny mijery lavidavitra kokoa. ยซ ๐๐ด๐ข๐ณ๐ข ๐ฌ๐ฐ๐ฌ๐ฐ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ต๐ฐ๐ฎ๐ฃ๐ฐ ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ต๐ฐ๐ฎ๐ฃ๐ฐ ๐ฏ๐บ ๐ท๐ข๐ณ๐บ ๐ท๐ฐ๐ฌ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฆ๐ต๐ฐ ๐ข๐ฏ-๐ต๐ฐ๐ฆ๐ณ๐ข๐ฏ๐ข ๐ช๐ข๐ญร ๐ฏ๐ข ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ฆ๐ญ๐ช๐ฌ๐ฆ๐ญ๐บ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ง๐ข๐ณ๐ข๐ฏ๐ข ยป, hoy izy.
Nilaza moa ireto Fikambananโny mpiro ny zonโny mpanjifa ireto fa hanao andrimaso ny vidinโny vary tsy hisianโny fanararaotana.
