Notokanana ny trano firaketana izay tsangambaton’ny Jobily
Nanotrona ny fotoam-pivavahana sy ny fanokanana ny trano firaketana any amin’ny Toby Fifohazana Farihimena any amin’ny Distrikan’i Betafo ny Ministry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), Haingotiana ANDRIAMADISON, amin’ny maha-Minisitra mpiahy ny Faritra Vakinankaratra azy, sy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Ndaohialy Manda-Vy RAVONIMANANTSOA.
Tafiditra anatin’ny ivon’ny fankalazana ny Jobily, ny 20 hatramin’ny 26 Aogositra 2026 ity fandaharam-potoana tany Farihimena androany ity.
Ny Toby ao Farihimena no nitsangana dia tamin’ny alalan’ny Pastora Daniel RAKOTOZANDRY tamin’ny taona 1946. Manana tantara goavana eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-tsosialy eto amin’ny Firenena ny Toby.
«𝘈𝘳𝘺 𝘢𝘰𝘬𝘢 𝘩𝘰 𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘈𝘩𝘺 𝘪𝘢𝘯𝘢𝘳𝘦𝘰 𝘴𝘢𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢 𝘈𝘩𝘰 𝘑𝘦𝘩𝘰𝘷𝘢𝘩. » – Levitikosy 20 :26b.
