𝐒𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐲, 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐲, 𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐢𝐟𝐚 𝐧𝐲 𝐒𝐚𝐥𝐨𝐧 𝐈𝐍-𝐂𝐎.
«Tsy sehatra ara-pitantanana fotsiny ny IN-CO, fa tena fihaonan-dalana hitadiavana vahaolana, hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny Fitondrana sy ireo mpandraharaha mpamorona ary natao mba hiarahana hanamora ny lalana sy hanala ireo sakana, indrindra amin’ny fanokafana ny varavarana ara-barotra izany IN-CO izany» hoy ny Tale misahana ny Ady amin’ny Kolikoly eto anivon’ny Minisitera ny Varotra sy Fanjifana (MinCC) RAJAONARISON Herilala ANDRIAMAROHASINA.
Marihina moa fa ny MinCC dia Minisitera mpiahy ity hetsika ity ka t@ alalan’ny tranohevan’ny Minisitera no hihainoana ny hetahetan’ireo mpisehatra, fifanakalozan-kevitra ary fiaraha-mitady vahaolana, indrindra amin’ny fanamorana ny raharaham-barotra, ny fanohanana ny fandraharahana ary ny fanesorana ireo sakana mety hanembantsembana ny sehatra ara-toekarena.
Ny fanokafana ny Salon IN-CO 2026 moa dia notronin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, notarihin’ny Minisitry ny Asa sy ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana, niaraka tamin’ireo solontenan’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina ary ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana.
