Noraisin’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), Ramatoa Haingotiana ANDRIAMADISON, niaraka tamin-dRamatoa NAMBOHOE Yolandine, Tale misahana ny Fiarovana ny Zon’ny Mpanjifa, ny delegasiona avy amin’ny FORMAGRI, notarihin’ny Tale, Tahiry RAHARIMANANA, ny Alakamisy 13 Aogositra 2026, tao Ambohidahy.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa « Oniversiten’ny Tantsaha » ireo mpiofana avy any Vakinankaratra, ka ny tanjon’ny fihaonana dia ny hifanakalo hevitra momba ireo fanamby sedrain’ny tantsaha, indrindra 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐢𝐝𝐢𝐦-𝐛𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚, 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐚𝐫𝐚-𝐝𝐚𝐥𝐚̀𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚.
Nohamafisin-dRamatoa Minisitra fa mandanjalanja ny tombontsoan’ny mpisehatra rehetra ny Ministera, na ny tantsaha, na ny mpandraharaha, na ny mpanjifa. Efa dinihina ihany koa ny fepetra hanohanana ny famokarana sy hampihenana ny vidin’ny vokatra eny an-tsena, sady hiantohana fa mahazo tambiny ara-drariny ny tantsaha.
Nasongadiny fa ilaina ny fanatsarana ny rojo-pamokarana sy ny rojom-barotra, mba hiadiana amin’ny vidiny tsy ara-drariny sy hanomezana lanja ny vokatry ny asa ataon’ny tantsaha. Nambarany ihany koa fa vonona hatrany ny Ministera hiara-hiasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra hitadiavana vahaolana maharitra ho fampiroboroboana ny famokarana sy hiantohana ny fifandanjan’ny tsena.
Nifarana tamin’ny fankasitrahana ny fandraisan’anjaran’ny FORMAGRI ho fampandrosoana ny sehatry ny fambolena ny fihaonana, ary nanehoan’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana fahavononana hanamafy ny fiaraha-miasa amin’izy ireo.
