πππππ-πππππππ ππ πππππβππ ππππππ ππππππ ππππππππππππ β ππππππ ππ π πππππππ-ππππ ππ πππππ ππ π ππππππππ ππ πππππππ π
Manamafy ny fanaraha-maso ny tsena sy ny vidinβentana manerana ny Faritra ny Minisitera misahana ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), mba hiantohana ny fanajana ny vidiny ara-drariny sy hisorohana ny fivarotana entana lany daty na simba.
BONGOLAVA β Tsiroanomandidy
Marin-toerana ny vidinβireo PPN ary tsy nahitana entana lany daty na simba nandritra ny fanaraha-maso natao ny 12 Aogositra 2026.
ο·Siramamy: 3.500β4.300 Ar/kg
ο·Siramamy vokatra eto an-toerana: 168.000 Ar/gony
ο·Siramamy nafarana: 202.000β207.000 Ar/gony
ITASY
Mbola ampy tsara ny tahirinβentana ilaina andavanandro ary tsy nahitana entana lany daty ireo tsena nojerena.
ο·Lafarinina: 3.500 Ar/kg
ο·Siramamy fotsy: 4.500 Ar/kg
ο·Siramamy mavo: 3.700 Ar/kg
ο·Menaka aminβny bidao: 8.200β9.200 Ar/l
IHOROMBE
Araka ny fanaraha-maso natao tao aminβny tsenanβi Tanambao sy Besavoa, dia manaraka ny fepetra takiana ny tsena ary tsy nahitana entana lany daty. Marin-toerana ny vidinβny PPN.
ο·Vary: 550β650 Ar/kg
ο·Siramamy fotsy: 5.000 Ar/kg
ο·Menaka anaty tavoahangy: 10.500β11.500 Ar/l
ATSINANANA
Nahitana fidinanβny vidinβny siramamy mena 500 Ar/kg, izay nidina avy aminβny 4.000 Ar/kg taminβny 03 Aogositra ho 3.500 Ar/kg ankehitriny. Marin-toerana kosa ny ankamaroanβireo PPN:
ο·Vary nafarana: 2.100β2.400 Ar/kg
ο·Vary gasy: 2.200β2.400 Ar/kg
ο·Lafarinina malagasy: 3.300 Ar/kg
ο·Lafarinina nafarana: 3.400β3.500 Ar/kg
ο·Menaka aminβny bidao: 7.800β9.000 Ar/l
ο·Menaka anaty tavoahangy: 9.000β10.500 Ar/l
Mitohy hatrany ny fanaraha-maso ataonβny MinCC sy ireo DRCC manerana ny Nosy, ho fiantohana ny fahafahanβny mpanjifa mahazo entana ampy, ara-drariny ny vidiny ary azo antoka ny kalitaony.
