๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐ โ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐
ANALANJIROFO
Ho fanamafisana hatrany ny fiarovana ny mpanjifa, dia nanatanteraka ny fandoroana ireo entana lany daty ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC), taorianโny fahavitanโny dingana ara-panjakana rehetra takiana.
Ny hetsika, izay natao ny 15 Aogositra 2026 tao Fenoarivo Atsinanana, dia nahitana ireo entana lany daty voamarina nandritra ny fidinana nifanesy nataonโny mpanara-maso tao aminโny Distrikanโi Sainte-Marie, Soanierana Ivongo, Fenoarivo Atsinanana ary Vavatenina.
Anisanโireo entana voakasika ny vatomamy, ranom-boankazo ary entana fanadiovana trano, izay mitentina manodidina ny 150 kg.
BETSIBOKA
Tao aminโny Distrikanโi Tsaratanana kosa, ny 15 Aogositra 2026, dia nanatanteraka fandoroana ireo entana tsy manaraka ny fenitra sy lany daty ny DRCC, taorianโny fanaraha-maso ny kalitaonโny entana izay nanomboka ny 11 Aogositra 2026.
![]()
![]()
Anisanโireo entana noravana taminโizany ny zava-pisotro isan-karazany, fanafody, ary karazan-tsakafo toy ny paty, vatomamy ary biscuits.
Natrehinโireo tomponโandraikitra sy manampahefana teny an-toerana izany hetsika izany, ka isanโizany ny Lehibenโny Distrikanโi Tsaratanana, ny solontenanโny Benโny Tanร na, ary ireo solontenanโny mpanjifa sy ny mpandraharaha.
Nampitandremana ihany koa ireo mpandraharaha mba hanaja hatrany ny fenitra sy ny fepetra ara-dalร na aminโny varotra, ary hisoroka izay mety ho fanararaotana manohintohina ny fahasalamanโny mpanjifa.
Ny tanjonโizao hetsika izao dia ny:
Miaro ny mpanjifa aminโireo entana mety hampidi-doza;
Manamafy ny fanaraha-maso ny kalitao sy ny fanarahana ny fenitra;
Manentana ireo mpivarotra sy mpandraharaha mba ho tomponโandraikitra aminโny asa ataony;
Miantoka ny zonโny mpanjifa, na dia any aminโireo toerana lavitra sy sarotra aleha aza.
FIAROVANA NY MPANJIFA : andraikitra iombonana, eny aminโny faritra rehetra eto Madagasikara.
