๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ฉ๐ค๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ข๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ซ๐๐ง๐ฎ ๐๐๐ฉ๐จ๐๐ ๐ ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐-๐ข๐๐จ๐ค ๐๐ซ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐ข๐๐๐๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐๐๐๐ง๐๐ข-๐๐๐ง๐ฎ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐๐ฉ๐จ๐๐๐ฃ๐ ๐ซ๐๐ง๐ฎ.
BOENY : Marovoay sy Ankazomborona, any aminโny distrikanโi Marovoay, no nidinanโny ekipanโny DRCC Boeny nanavoana fanaraha-maso ny tahirim-bary akotry sy vary gasy fotsy any an-toerana ny Alakamisy 16 Jolay 2026. Tahirim-bary akotry mahatratra 906,54 taonina sy vary fotsy 229,25 taonina no hita taminโizany.
Nisy ny fanentanana ireo mpanangom-bokatra sy mpitoto vary hanao fanambarร na isam-bolana ny tahirim-bary izay misy ao aminy. Miisa 26 ireo mpanangom-bokatra sy mpitoto vary notsirihana ka ny 11 taminโizy ireo no vaovao.
SOFIA : Manodidina ny 74000 taonina isan-taona ny voka-bary ao any Mampikony. Antony nahatonga ny mpanara-maso avy aminโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Sofia nijery akaiky ny tahirim-bary any an-toerana izay maha-sompitry ny vary azy izay. Ny 16 Jolay 2026 lasa teo dia magazay 13 no voatsidika izay nahitana vary akotry 4345 taonina sy vary fotsy 2540 taonina. Mbola tsy mitsahatra miakatra ao Mampikony ireo vary avy any amin’ny kaominina samihafa. Manodidina ny 10 isanโandro ireo kamiao mivoaka anโi Mampikony mitondra vary mankany aminโireo distrika hafa sy ivelanโny Faritra Sofia.
ANALAMANGA : Mpitoto vary 7 no notsidihinโny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Analamanga sy ny mpiara-miasa aminy tany aminโny kaominina Mahitsy taminโio Alakamisy 16 Jolay 2026 io ihany. Sady naka antontanisa momba ny tahirim-bary izy ireo taminโizany no nampahafantatra sy nanazavan mikasika ny Didim-pitondrana vaovao mandidy ny fanaovana fanambarร na tahiry. Nisy ihany koa ny mpambongady iray izay noterena hametaka vidin’entana no sady nentanina hanao fanambarร n-tahiry. Nangatahana fiaraha-miasa ny Ben’ny Tanร na hifanampy aminโny fanentanana aminโny tsy maintsy hanaovanโny mpanangom-bokatra sy mpamboly fanambarร na tahiry.
