700๐ผ๐ง ๐๐๐ฉ๐ง๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ 800๐ผ๐ง ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐ง๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ ๐๐ฅ๐ค๐๐ ๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ-๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐ ๐๐๐๐ข๐ ๐จ๐ฎ ๐ฝ๐๐ฏ๐๐ง๐ฎ ๐๐ ๐๐ค ๐๐ค๐ก๐๐๐ง๐.
Namory avy hatrany ireo mpanafatra entana miasa ao Toliara ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Atsimo Andrefana, ny 17 Jolay 2026, rehefa tsikaritra ny fiakaranโny vidinโny vary nafarana any an-toerana. Fihaonana izay niresahana ny tokony hahamarintoerana ny vidin’ny vary eny aminโny tsenam-bary.
Nahitana vokany teo amin’ny vidin’ny vary ao Toliara izany dinika natao izany.
Hahafahana miomana sahady aminโny fiatrerahana ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra sy ho fandrindrana ny famatsiana vary gasy ny tsena dia nivory koa ireo solontena voakasika izay nahitana ny avy aminโny Fitaleavama-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana, ny Fitaleavam-paritry ny Fambolena sy ny Fahaleoavantena ara-tsakafo, ny Prefektiora, ny Faritra, ny solontenanโny tantsaha, ny avy aminโny mpampindram-bola CECAM ary ny mpanangom-bokatra.
Tapaka tamin’izany fa hatsanganana ny komity mpanaramaso ny vary araka ny voalazan’ny Didim-pitondrana iraisan’ny ministera laharana faha-5805/2025 tamin’ny 06 Martsa 2025 sy ny famolavolana paikady ho fampiharana izany Didim-pitondrana izany ao amin’ny faritra. Hitohy aminโny 29 Jolay ho avy izao ny fivoriana.
