๐๐๐ฉ๐ค๐ก๐ค๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐๐ฃ๐๐ค๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐ผ๐ฟ๐๐๐๐ ๐๐ฃ-๐ฉ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ก๐ ๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ก๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ฝ๐๐ผ๐๐พ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ก๐๐ฉ๐๐ ๐ ๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ ๐ค๐ก๐๐ ๐ค๐ก๐ฎ.
ยซ ๐๐ฐ๐ณ๐ฐ๐ง๐ฐ ๐ช๐ป๐ข๐ฐ ๐ง๐ข ๐ฎ๐ช๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ฏ๐ช๐ข๐ท๐ข๐ฏ๐ข. ๐๐ฆ๐ฉ๐ฆ๐ง๐ข ๐ท๐ฐ๐ข๐ด๐ฐ๐ณ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ช๐ญ๐ข๐บ ๐ฑ๐ฐ๐ญ๐ช๐ต๐ช๐ฌ๐ข ๐ฆ๐ฏ๐ต๐ช๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ช๐ข๐ฅ๐บ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ฌ๐ฐ๐ญ๐ช๐ฌ๐ฐ๐ญ๐บ ๐ฅ๐ช๐ข ๐ฆ๐ง๐ข ๐ป๐ข๐ท๐ข-๐ฅ๐ฆ๐ฉ๐ช๐ฃ๐ฆ ๐ข๐ญ๐ฐ๐ฉ๐ข ๐ช๐ป๐ข๐บ ยป. Teninโny Tale jeneralinโny Birao mahaleotena iadiana aminโny kolikoly (BIANCO), Gaby Nestor RAZAKAMANANTSOA izany taorianโny nandraisany ny Politika anatiny iadiana aminโny kolikoly (PILCC) ho anโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC).
Tetsy aminโny Minisitera etsy Ambohidahy no nanatontosana ny lanonam-panolorana izany politika anatiny izany izay voarakitra anaty boky misy pejy 19. Dingana manaraka ny fametrahana ny Rafitra iadiana aminโny kolikoly (STAC) any anivonโireo Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) raha efa manana izany ny Minisitera foibe, dia ny Foibem-pitondrana misahana ny fitsirihana anatiny sy ny ady aminโny kolikoly (DAILAC).
Nambaranโny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON fa tsy vitanโny hoe fanetribenโny firenena sy sakana ho aminโny fampandrosoana ihany ny kolikoly, ho anโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana izay misahana ny fiarovana ny mpanjifa aminโny resaka kalitao. ยซ ๐๐ข๐ฉ๐ข ๐ด๐ข๐ฏ๐ข๐ต๐ณ๐ช๐ข ๐ฌ๐ข ๐ฎ๐ช๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข๐ฌ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฌ๐ฐ๐ญ๐ช๐ฌ๐ฐ๐ญ๐บ ๐ฆ๐ต๐ฐ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ฏ๐ช๐ด๐ช๐ต๐ฆ๐ณ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ท๐ข๐ณ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ฅ๐ช๐ข ๐ฎ๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ฅ๐ช-๐ฅ๐ฐ๐ป๐ข ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฉ๐ข๐ด๐ข๐ญ๐ข๐ฎ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ซ๐ช๐ง๐ข ๐ช๐ป๐ข๐ฏ๐บ ๐ฌ๐ข ๐ต๐ด๐บ ๐ข๐ป๐ฐ ๐ฆ๐ฌ๐ฆ๐ฏ๐ข ยป, hoy izy naneho ny fahareseny lahatra hiady aminโny kolikoly.
Ho anโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana dia efa natomboka ny fanabeazana ny mpiara-miasa sy fampahafantarana ny loza ateraky ny kolikoly. Hohamafisina aminโny fanazavana ny Lalร na sy fandikan-dalร na samihafa izay mety hahatonga hatrany aminโny fampidirana am-ponja izany.
Miara-miasa hatrany aminโny BIANCO ny Minisitera aminโizany dingana rehetra izany.
