๐๐๐จ๐๐ก๐๐ฃ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฅ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ง๐๐๐จ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐ข๐๐ฃ๐ค๐ก๐ค๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐๐ค ๐ฉ๐ง๐๐ฃ๐๐ ๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฉ๐๐ง๐-๐๐ค๐ฏ๐ ๐๐ค ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐.
Noraofinโny mpanaramaso avy aminโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Anosy avokoa ireo sakafo mialin’andro sy masisosiso tao amin’ny toeram-pivarotana sakafo masaka iray ao Taolagnaro ny Talata 03 Novambra 2026.
Fanampinโizay dia nomena taratasy fampiantsoana ihany koa ny tomponandraikitra, hihainoana sy hitanana an-tsoratra ny antony anaovany tsirambina ny asany toy izao, hahafahana manapaka ny fepetra tokony ho raisina aminy.
Tao Fianarantsoa indray dia nodidiana ny tsy hikitihana anatinโny fotoana voafetra ny vata fampangatsiahana nitahirizana trondro mampiahiahy. Nandritra ny fidinanโny ekipanโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana, niaraka taminโny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena manga teny aminโireo toerana fivarotana trondro, ny Alarobia 04 Novambra 2026, no nandraisana izany fepetra izany.
Nahazo fampiantsoana koa ireo mpandraharaha roa, hatao fanadihadiana sy hakana fanampim-panazavana mikasika ireo tranga nisy sy heno.
Taminโny fitsirihana natao tao Fenoarivo Atsinanana dia tsikaritra fa nisy ireo mpivarotra hanimasaka izay tena nahitana fahalotoana ka tsy maintsy nomena fe-potoana hanadiovany sy hanatsarany izany izy ireo.
Mbola hisy fidinana ho atao ho fanaraha-maso ny fanatanterahana ny fanadiovana nampanaovina.
Niara-nientana taminโity hetsika ity ny avy aminโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana, ny Fizahantany sy ny Asa tanana, ny Fahasalamam-bahoaka ary ny Kaominina ambonivohitra Fenoarivo Atsinanana
