𝙉𝙖𝙢𝙥𝙞𝙩𝙤𝙫𝙮 𝙛𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙛𝙞𝙟𝙚𝙧𝙮 𝙢𝙖𝙝𝙖𝙠𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙖𝙣𝙩𝙤𝙣𝙩𝙖𝙣’𝙞𝙨𝙖 𝙢𝙞𝙨𝙮 𝙚𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣𝙮 𝙖𝙫𝙮 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖 𝙫𝙤𝙖𝙠𝙖𝙨𝙞𝙠𝙮 𝙣𝙮 𝙧𝙚𝙨𝙖𝙠𝙖 𝙫𝙖𝙧𝙮, 𝙢𝙗𝙖 𝙝𝙖𝙝𝙖𝙛𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙥𝙖𝙝𝙖𝙣-𝙠𝙚𝙫𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙞𝙤𝙢𝙗𝙤𝙣𝙖𝙣𝙖.
![]()
![]()
![]()
𝙠𝙜 𝙞𝙨𝙖𝙣’𝙤𝙡𝙤𝙣𝙖 𝙞𝙨𝙖𝙣-𝙩𝙖𝙤𝙣𝙖 ny filàna ara-bary ho an’ny Malagasy. Tsy ampy ho an’ny vava homana ny voka-bary eto an-toerana, noho izany, fa tsy maintsy manafatra vary manodidina ny 688 380 taonina i Madagasikara.
Niarahan’ireo tonga nivory teny amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Ambohidahy fa tena zava-dehibe ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fifanakalozam-baovao sy antontan’isa hirosoana amin’ny fandraisana fepetra mampiaty, azo antoka ary azo hamarinina, indrindra fa miha-manakaiky ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra.
Nandray anjara tamin’ity fihaonana notarihin’ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, Gilchrist RAKOTOSON, ity ireo solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, ny avy amin’ny Fadintseranana, ny Sampandraharaha misahana ny Hetra, Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro ary ny Vovonana momba ny Vary (Plateforme Riz).
Nifantoka tamin’ny fandinihana ny famokarana eto an-toerana, ny filàna anatiny, ny vidim-bary ary ny famatsiana avy eto an-toerana sy ny fanafarana ny dinika.
Niaiky ny mpandray anjara fa ilaina ny fampihantonana ny fampiharana ny haba amin’ny fanafarana vary amin’izao fotoanan’ny maitso ahitra izao. Aorian’izay dia tokony ho fepetra hitsinjovana ny tantsaha mpamoka-bary eto an-toerana ny haba amin’ny vary hafarana.
