๐๐ค๐จ๐ค๐ ๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ค๐ข๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐๐ข๐๐๐ฃ๐๐ซ๐ค๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐จ๐๐ง๐๐ซ๐๐ง๐ฎ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐๐ค๐ข-๐ฅ๐๐ค๐ฉ๐๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐๐๐ซ๐๐ง๐ค๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐ก๐๐ฉ๐๐จ๐๐ ๐๐ค ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐ฉ๐ค๐ซ๐๐ซ๐ฎ.
Nisokatra taminโny fomba ofisialy ny Sabotsy 21 Novambra 2026 ny taom-piotazana letisia 2026, araka ny Didim-pitondrana navoakan’ny Faritra Vatovavy.
Nisy ny lanonana nanamarihana izany sady natao hametrahana lamina hanaraha-maso ny fizotry ny taom-piotazana, hiantohana ny kalitaon’ny vokatra, ary hampiroboroboana ny sehatry ny varotra sy ny fanondranana letisia.
Tamin’izany fotoana izany dia nalefa koa ny antso ho an’ireo mpandraharaha ara-toekarena, na eto an-toerana na avy any ivelan’ny Faritra Vatovavy, hirotsaka sy handray anjara amin’ny fifaninanana ara-barotra, indrindra ho an’ireo izay manana vokatra tsara kalitao, mifanaraka amin’ny fenitra sy fepetra takiana amin’ny sehatry ny varotra.
Nanatrika sy nandray anjara tamin’ity lanonana ity ireo Solombavambahoaka roa voafidy tao Mananjary, ireo tompon’andraikitra sy solontena avy amin’ny Faritra Vatovavy, ny Prefektioranโi Mananjary, ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Vatovinany sy ny avy aminโny Fitaleavam-paritra hafa any an-toerana ary ireo mpanangom-bokatra sy mpisehatra aminโny letisia.
Ny Faritra Vatovavy moa dia manamafy hatrany ny fahavononany hampiroborobo ny vokatra, hanatsara ny kalitaon’ny vokatra ary hanohana ny mpisehatra rehetra amin’ny letisia, ho fampandrosoana ny Faritra sy ny toekarem-pirenena.
