𝙁𝙖𝙣𝙖𝙛𝙤𝙙𝙮 𝙡𝙖𝙣𝙮 𝙙𝙖𝙩𝙮 𝙢𝙞𝙞𝙨𝙖 3703 𝙣𝙤𝙙𝙤𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙤 𝙈𝙖𝙣𝙜𝙖𝙩𝙤𝙠𝙖𝙣𝙖 𝙈𝙖𝙝𝙖𝙟𝙖𝙣𝙜𝙖
Nanao fihetsika maneho andraikitra sy fahatsapan-tena amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny mpanjifa ny Pharmacie Avenir ao Mahajanga satria izy mihitsy no nangataka ny handorana ireo fanafody lany daty tao aminy, na mety hiteraka fatiantoka ara-bola ho azy aza izany.
Ny Sabotsy lasa teo no nanatanteraka ny fandevonana ireo fanafody lany daty ireo ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Boeny.
Dingana iray ilazana fa tafita ny fanentanana hametrahana ho laharam-pahamehana hatrany ny fiarovana ny fahasalamana, ka tsy tokony hisy fanafody lany daty hivezivezy eny an-tsena na ho ampiasain’ny mpanjifa.
