๐๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐๐๐ค๐ฃ๐๐ฃ๐, ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ ๐๐ก๐ค๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐-๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐ง๐ค๐๐ค๐ง๐ค๐๐ค๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ง๐๐๐-๐ข๐๐ค๐ข๐๐ค๐ฃโ๐๐ฃ๐ฉ๐ค๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ยซ ๐๐๐ก๐ค๐ฃ ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐ฃ๐๐ฉ๐๐ค๐ฃ๐๐ก ๐๐ ๐กโ๐๐๐๐๐ฉ๐๐ฉ ยป ๐๐ฃ๐ ๐ค๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐๐๐-๐๐๐ข๐ฅ๐๐ง๐๐ฃ๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐๐ฏ๐ฎ.
Mpampiranty manodidina ny 200 no handray anjara aminโny Salon international de lโHabitat andiany faha-27 eny aminโny CCI Ivato. Ankoatra ny famelabelaran-kevitra dia horavahana aminโny fihaonam-be fampahafantarana sy fampifandraisana ny mpitady asa (speed recruting) izany ny tolakandronโny Sabotsy sy ny Alahady.
Nisy ny fivoriana fanomanana niarahanโny mpikarakara taminโireo mpandray anjara tetsy Soarano omaly.
Anisanโny Ministera mpiahy ny Salon international de lโHabitat andiany faha-27 izay sehatra lehibe ho ambohipihaonanโireo matihanina aminโny fanorenana ny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC).
