𝙉𝙤𝙙𝙤𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙚𝙣𝙮 𝙈𝙖𝙨𝙞𝙣𝙙𝙧𝙖𝙮 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙚𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙡𝙖𝙣𝙮 𝙙𝙖𝙩𝙮 𝙩𝙧𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙚𝙩𝙤 𝘼𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙢𝙖𝙣𝙤𝙙𝙞𝙙𝙞𝙣𝙖 𝙣𝙖𝙣𝙤𝙢𝙗𝙤𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙫𝙤𝙡𝙖𝙣𝙖 𝙈𝙖𝙮.
Iray fiara fitaterana entana (fourgon) ireo entana nolevonina tamin’ny Zoma 16 Oktobra 2026 ireo, izay nahitana lafarinina 250kg, bisky, ranomboankazo, vatomamy, sokolà, fromazy, dibera, ronono sy zavatra hafa koa.
Nanatanteraka izany teny an-toerana ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC).
Anisan’ireo nodorana teny Masindray ireo ny entana lany daty tao amin’ny toeram-pivarotana lehibe iray, nogiazan’ny mpanara-maso avy amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC), nandritra ny fitsirihana natao teny Talatamaty sy Ivato tamin’ny herinandron’ny 12 Oktobra 2026.
Entana 7 baoritra milanja 40 kilao eo ho eo izy ireo. Ny ankamaroany dia paty fihinana misy ron-kena na « bouillon », tsiro sy ny fangaro fanao amin’ny laoka, karazana sakafo voafono voahodina vita amin’ny lafarinina, ranomboankazo, ronono sy sakafo avy amin’ny ronono, samy avy any ivelany avokoa.
Sady nanome torolalana sy nampahafantatra ny Lalàna manan-kery mahakasika ny asa varotra ny mpanao fitsirihana tamin’ny fidinany teny amin’ireo toeram-pivarotana samihafa
