𝙊𝙢𝙖𝙣𝙞𝙣𝙖 𝙝𝙞𝙖𝙩𝙧𝙞𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙩𝙨𝙚𝙣𝙖 𝙚𝙤𝙧𝙤𝙥𝙚𝙖𝙣𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙤𝙧𝙞𝙣𝙖𝙨𝙖 𝙢𝙖𝙙𝙞𝙣𝙞𝙠𝙖 𝙨𝙮 𝙨𝙖𝙡𝙖𝙣𝙩𝙨𝙖𝙡𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙖 𝙋𝙈𝙀-𝙋𝙈𝙄 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮.
Tamin’ny alalan’ny Famelabelaran-kevitra tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina no nampahafantarana ireo orinasa, indrindra ny Orinasa madinika sy salantsalany ny fepetra sy fenitra takian’ny tsena eoropeana, hanombanana ny fahavononany ary hanomezana azy ireo fitaovana hanatsarana ny kalitao sy ny fahafaha-mamokatra ho amin’ny fanondranana.
Fihaonana nokarakarain’ny CCIA, niarahana tamin’ny Vondrona Eoropeana sy ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), ho fanomanana ireo PME-PMI malagasy hiditra sy hifaninana eo amin’ny tsena eoropeana.
Ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana moa dia manome tantsoroka ireo orinasa amin’ny alalan’ny fampahafantarana, ny fanamorana ny fidirana amin’ny tsena, ny fampifandraisana amin’ny tsena ivelany ary ny fampiroboroboana ny fanondranana.
Ny fifanarahana ara-barotra dia manokatra fahafahana vaovao, saingy miankina betsaka amin’ny fahafahan’ireo orinasa mamokatra araka ny fenitra sy fahafenoan’ireo fepetra takian’ny tsena ny fisitrahana tombontsoa ara-toekarena amin’izany.
Notsindrian’ny Tale misahana ny Fifandraisana iraisam-pirenena sy ny Fampiraisana ara-toekarena (DRIIE), Holy RANDRIAMIFIDY fa anisan’ny fanamby ny fanomezana lanja ireo fahafaha-manao ara-toekarena sy ara-tsosialin’ny PME-PMI eto Madagasikara.
Nasongadina ihany koa, araka ny antontan’isa tamin’ny taona 2025, fa ny 34%-n’ny fanondranana ataon’i Madagasikara dia alefa any amin’ny Vondrona Eoropeana (UE) avokoa.
