𝙃𝙤 𝙛𝙞𝙖𝙧𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖 𝙨𝙮 𝙝𝙖𝙢𝙥𝙞𝙝𝙚𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙞𝙯𝙖𝙮 𝙢𝙚𝙩𝙮 𝙝𝙤 𝙛𝙖𝙩𝙞𝙖𝙣𝙩𝙤𝙠𝙮 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖 𝙙𝙞𝙖 𝙖𝙥𝙚𝙩𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙥𝙖𝙞𝙠𝙖𝙙𝙮 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙚𝙥𝙚𝙩𝙧𝙖 𝙢𝙞𝙖𝙡𝙤𝙝𝙖 𝙝𝙖𝙝𝙖𝙛𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙢𝙖𝙙𝙞𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙡𝙖𝙛𝙖𝙧𝙞𝙣𝙞𝙣𝙖 𝙨𝙞𝙢𝙗𝙖 𝙝𝙤 𝙨𝙖𝙠𝙖𝙛𝙤𝙢-𝙗𝙞𝙗𝙮.
📌Hatsangan’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) sy ny Minisiteran’ny Fiompiana ny komity teknika hamaritra ny lamin’asa, miainga amin’ny fakàna singa hotiliana, fandefasana izany any amin’ny laboratoara, ary ny fandefasana ombam-panaraha-maso ny lafarinina simba any amin’ny mpandraharaha hamadika azy ho sakafom-biby.
⚠️Nitondrana fanamarihana manokana teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny Talata 29 Septambra 2026 anefa fa ny lafarinina simba (avariée) tsy azon’olombelona hohanina intsony no ho ahodina homena ny biby fiompy. Ny lafarinina lany daty kosa dia tsy maintsy dorana avy hatrany.
🎙️Nambaran’ny Talen’ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) Yolandine NAMBOHOE VENON fa raha ny Minisiteran’ny Fiompiana no misafidy ny laboratoara anaovana ny fitiliana dia andraikitra lehibe sahanin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana ny fanasokajiana ny lafarinina simba sy ny lafarinina mbola tsara.
Antony samihafa no mety mahatonga ny lafarinina ho simba. Anisan’izany ny hamandoana vokatry ny fitaterana eny an-dranomasina na an-tanety, ny fomba fitehirizana izay mitarika hamandoana, na fivainganana na fahaverezana kalitao.
