𝙑𝙞𝙩𝙖 𝙣𝙮 𝙡𝙖𝙩𝙨𝙖-𝙗𝙖𝙩𝙤𝙣’𝙣𝙮 𝙋𝙖𝙧𝙡𝙚𝙢𝙖𝙣𝙩𝙖 𝙖𝙢𝙚𝙧𝙞𝙠𝙖𝙣𝙖, 𝙢𝙞𝙩𝙤𝙝𝙮 𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 2028 𝙣𝙮 𝘼𝙂𝙊𝘼.
Dingana lehibe vita ny 01 Septambra 2026, rehefa nolanian’ny House of Representatives amerikana tamin’ny vato 370 noho 48 ny Volavolan-dalàna HR 6500 hanalavana ny AGOA.
Izany dia mameno ny latsa-bato nataon’ny Senate tamin’ny 8 Aogositra 2026, ka vita ny latsa-baton’ny Parlemanta amerikana manontolo momba ny fanitarana ny AGOA hatramin’ny Desambra 2028, tsy nisy fanitsiana.
Ny dingana manaraka dia ny fiandrasana ny fankatoavan’ny Filoha amerikana, izay hamita ny dingana ara-panjakana hahatonga ity fanitarana ity ho manan-kery.
Ho an’i Madagasikara dia vaovao lehibe sy mahavelom-panantenana izany, satria manome fitoniana sy fahitana mazava kokoa ho an’ireo mpanondrana malagasy ary manampy amin’ny fanamafisana ny fahatokisan’ireo mpampiasa vola amin’ny tsena amerikana.
Ity dingana ity dia vokatry ny fitarihana ara-barotra nataon-dRamatoa Minisitry ny Varotra, Haingotiana ANDRIAMADISON, niaraka tamin’ny fiaraha-miasan’ireo sampan-draharaha teknika voakasika, ary ny ezaka sy ny asa teny ifotony nataon-dRamatoa Masoivohon’i Madagasikara any Etazonia, Lantosoa RAKOTOMALALA.
Tsy mijanona eo ny ezaka. Ny tanjona manaraka dia ny fanohizana ny fifampidinihana sy ny fanentanana mba hahazoana fanitarana maharitra 10 taona aorian’ny 2028, izay hanome fahamarinan-toerana sy vinavina maharitra ho an’ireo mpanondrana sy mpampiasa vola, ary hanamafy hatrany ny fifandraisana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Etazonia.
𝘋𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘭𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦 𝘷𝘪𝘵𝘢. 𝘔𝘪𝘵𝘰𝘩𝘺 𝘯𝘺 𝘦𝘻𝘢𝘬𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘩𝘰𝘢𝘷𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘈𝘎𝘖𝘈 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘵𝘴𝘰𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢.
