๐๐ค๐ฃ๐๐ ๐ฃ๐๐ฉ๐ค๐ฃ๐๐ง๐ ๐๐๐ฃ๐๐ข๐ฅ๐๐๐ฃ๐ ๐๐ค ๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ฉ๐ง๐๐๐ค๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐๐ค ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ซ๐๐๐๐ซ๐๐ซ๐ฎ ๐จ๐ฎ ๐ซ๐๐๐๐ซ๐๐ซ๐ฎ ๐ซ๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐.
Nanao rodobe nankahery ireo rava fananana noho ny hain-trano niseho omaly tany Andranomavo, Kaominina Ivatana any aminโny Distrikanโi Manakara ireo vehivavy mpikambana ao aminโny Governemanta sy vehivavy vadinโireo Minisitra lehilahy. Nirahinโny Filohanโny Fanavaozana ny Repoblikanโi Madagasikara (PRRM) sy ny Praiminisitra hijery ifotony ny takaitra izy ireo, araka ny fitondran-teny nataonโny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Hanitra RAZAFIMANANTSOA.
Nisy avy hatrany ny fanomezana vatsy sy fanampiana ireo traboina hahafahany miatrika ny zava-misy. Ho anโny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON manokana dia fanitso hatao tafo no voarambinโny tanany ka anisanโny natolotra ireo niharam-pahavoazana, hanampiana azy aminโny fanorenana ny simba.
Nanterinโny mpitondra fitenenana moa fa tsy manadino ireo traboina taminโizao hain-trano izao ny Fitondram-panjakana ka vantany vao nandre dia tonga ny solontena.
