𝙏𝙤𝙣𝙜𝙖 𝙣𝙞𝙩𝙤𝙣𝙙𝙧𝙖 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙢𝙥𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙩𝙧𝙖𝙗𝙤𝙞𝙣𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙫𝙚𝙝𝙞𝙫𝙖𝙫𝙮 𝙨𝙮 𝙫𝙚𝙝𝙞𝙫𝙖𝙫𝙮 𝙫𝙖𝙙𝙞𝙣𝙖 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖.
Nanao rodobe nankahery ireo rava fananana noho ny hain-trano niseho omaly tany Andranomavo, Kaominina Ivatana any amin’ny Distrikan’i Manakara ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny Governemanta sy vehivavy vadin’ireo Minisitra lehilahy. Nirahin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara (PRRM) sy ny Praiminisitra hijery ifotony ny takaitra izy ireo, araka ny fitondran-teny nataon’ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Hanitra RAZAFIMANANTSOA.
Nisy avy hatrany ny fanomezana vatsy sy fanampiana ireo traboina hahafahany miatrika ny zava-misy. Ho an’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON manokana dia fanitso hatao tafo no voarambin’ny tanany ka anisan’ny natolotra ireo niharam-pahavoazana, hanampiana azy amin’ny fanorenana ny simba.
Nanterin’ny mpitondra fitenenana moa fa tsy manadino ireo traboina tamin’izao hain-trano izao ny Fitondram-panjakana ka vantany vao nandre dia tonga ny solontena.
