๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐๐ ๐ ๐๐๐ฃ๐๐ โ๐๐จ๐ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐ค๐จ๐ค๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐๐ค ๐ ๐๐ค๐ข๐๐ฃ๐๐ฃ๐ 19 ๐๐ค ๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ฟ๐๐จ๐ฉ๐ง๐๐ ๐๐ฃโ๐ผ๐ข๐๐๐ฉ๐ค๐ก๐๐ข๐ฅ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ข๐ฅ๐๐๐๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐, ๐๐๐๐ฃ๐๐ค๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐ผ๐ฟ๐๐๐๐.
Tao aminโny efitrano fanoratam-panambadiana ao aminโny Lapanโny Tanร nanโAntanimasaka no nandraisanโny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON ireo Benโny Tanร na avy aminโny kaominina ao aminโny DistrikanโAmbatolampy. Nandray anjara taminโny dinikโasa ny Solombavambahoaka voafidy tao Ambatolampy, Miarintsoa Andriantsitonta RAKOTOMALALA, ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra Nathalie Sรฉbastienne RAVAONIRINA ary ny Lehiben’ny Distrikan’Ambatolampy.
Samy nilaza ny hetahetany avy ireo Benโny Tanร na fa ny tena iombonanโizy ireo, araka ny teninโny Benโny Tanร nanโAntsampandrano, dia ny fanatsarร na ny lalana.
Nanome toky ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON fa hanao tatitra sy hamaky resaka momba anโireo lafin-javatra navoitranโny Benโny Tanร na ireo aminโny tomponandraikitra tandrify. ยซ ๐๐ง๐ข ๐ฏ๐ข๐ฑ๐ฆ๐ต๐ณ๐ข๐ฌ๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ญ๐ฐ๐ฉ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฏ๐ข๐ท๐ข๐ฐ๐ป๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐๐ฆ๐ฑ๐ฐ๐ฃ๐ญ๐ช๐ฌ๐ข๐ฏโ๐ช ๐๐ข๐ฅ๐ข๐จ๐ข๐ด๐ช๐ฌ๐ข๐ณ๐ข ๐ง๐ข ๐ต๐ด๐บ ๐ฎ๐ช๐ด๐บ ๐ช๐ฏ๐ต๐ด๐ฐ๐ฏ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ฃ๐ข๐ช๐ฌ๐ฐ ๐ฎ๐ช๐ฅ๐ช๐ฏ๐ข ๐ง๐ข ๐ฎ๐ช๐ข๐ช๐ฏ๐จ๐ข ๐ข๐ท๐บ ๐ข๐ท๐บ ๐ข๐ต๐บ ๐ช๐ง๐ฐ๐ต๐ฐ๐ฏ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ฅ๐ณ๐ข๐ง๐ช-๐ฑ๐ข๐ฑ๐ข๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฐ๐ด๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ฃ๐ข ๐ฉ๐ช๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ณ๐ข๐ฌ๐ข ๐ต๐ด๐ข๐ณ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ง๐ช๐ญร ๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ท๐ข๐ฉ๐ฐ๐ข๐ฌ๐ข ๐ด๐บ ๐ฉ๐ช๐ด๐บ ๐ง๐ช๐ข๐ฏ๐ต๐ณ๐ข๐ช๐ฌ๐ข๐ฏ๐บ ๐ข๐ฏ๐บ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏ๐บ ยป, hoy izy raha nanazava izao fomba fiasa izao.
Ho anโny kaominina Antanimasaka dia ho tonga aminโny herinandro ny vary 30 taonina hanatanterahana asa tanamaro hampandrosoana eny ifotony.
