𝐅𝐢𝐭𝐨𝐡𝐢𝐳𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐆𝐎𝐀: 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚
Dingana lehibe sy famantarana tsara ary ny mariky ny fanohanana ara-politika ho an’i Madagasikara ny fandaniana ny fitohizan’ny AGOA teo anivon’ny Antenimierandoholona Amerikanina.
Araka ny adisisika sy ny ezaka nataon’ny Fitondram-panjakana, teo ambany fitarihan’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, niarahana tamin’ireo minisitera samihafa miandraikitra ny sehatry ny fanondranana isan-tsokajiny, ny Masoivohon’i Madagasikara any Etazonia, ary ny sehatra tsy miankina, dia dingana lehibe ho an’i Madagasikara ny fandaniana teo anivon’ny Antenimierandoholona Amerikanina ny volavolan-dalàna izay nahazoana vato 90 avy amin’ireo Sénatera ireo momba ny fitohizan’ny AGOA hatramin’ny taona 𝟐𝟎𝟐𝟖.
Ny dingana manaraka dia 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐚𝐧𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐧𝐠𝐫𝐞𝐬𝐲 𝐀𝐦𝐞𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚, 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐞𝐩𝐭𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚.
Maro ny tombotsoa ara-ekonomika azon’ny Madagasikara @ fisitrahana izany AGOA izany.
Mitondra fanampim-panazavana ny Talen’ny Fifandraisana Iraisam-pirenena sy ny Fampiraisana ara-toekarena eto amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐈𝐅𝐈𝐃𝐘 𝐇𝐨𝐥𝐲 𝐌𝐚𝐦𝐢𝐬𝐨𝐚
