๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ง๐ค๐ ๐๐ฃ๐๐ง๐ค ๐ฃ๐ค ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐จ๐๐ ๐ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐ค๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐๐ค ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐๐ง๐๐๐ ๐๐ซ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ซ๐ฎ ๐๐ฉ๐จ๐ฎ ๐๐๐ค๐ง๐๐จ๐ฎ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ซ๐ฎ ๐๐ฉ๐ค ๐๐๐๐๐๐๐จ๐๐ ๐๐ง๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐พ๐พ๐ ๐๐ซ๐๐ฉ๐ค.
Anisanโny fanokafana lalana ho anโireo vokatra malagasy, indrindra ireo vokatra avy aminโny fambolena toy ny letisia sy ny jirofo ka hampitomboana ny fahafahana manondrana azy ireo mankany i Maurice ny Moris Mada Business Connect. Tsy izany ihany anefa fa tanjonโny hetsika ny fampiroboroboana ny varotra, ny fiaraha-miasa ara-toekarena ary ny fampisam-bola eo aminโny firenena roa tonta sy ireo firenena hafa aty aminโny Ranomasimbe Indiana.
Tetsy aminโny Campus Galaxy Andraharo no natao ny fihaonana fampahafantarana sy fanomanana ny Moris Mada Business Connect, niaraka taminโireo mpandray anjara sy mpiara-miombonโantoka ary mpikarakara toy ny Antenimieranโny Varotra sy Indostria Maorisy โ Madagasikara (CCIMM) sy ny Federasionanโny Antenimieranโny Varotra sy Indostria eto Madagasikara (FCCIM).
Nisolo tena ny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) nandritra izany teny Andraharo ny Tale jeneralinโny Varotra Ivelany (DGCE) Tiava RAJONSON.
Nambarany fa ity hetsika ity dia maneho ny finiavanโi Madagasikara sy Maorisy hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa ary ny fifaneraserana ara-barotra sy ara-toekarena.
Anisanโireo Minisitera mpiahy ny Moris Mada Business Connect ny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana.
