๐๐๐จ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐๐ก๐๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐๐๐ซ๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ง๐ค (๐๐๐) ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ-๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐. ๐๐๐๐ค๐ข๐๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ฅ๐๐๐ ’๐๐๐ฎ ๐ฃ๐๐ข๐ฅ๐๐๐๐ง๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ).
ATSIMO ANDREFANA : Efa nahitana 107000 โ 108000Ar ny vidin’ny iray gony aminโny vary nafarana eny amin’ny mpanafatr’entana raha 110 000Ar taminโny herinandro lasa. 111000 โ 112000Ar izany eny amin’ny mpamongady. 650 โ 700Ar no ividiananโny mpanjifa ny iray kapoaka.
Araka ny tatitry ny mpanaramaso avy aminโny DRCC Atsimo Andrefana izay nanao ny fitsirihana teny an-tsena tao Toliara Renivohitra dia anisanโny antonโny fidinanโny vidinโny vary nafarana ny fiakaranโny filana vary gasy. Betsaka ireo vary avy any Ihosy, Faritra Ihorombe tonga ao Toliara aminโizao fotoana izao. Vao omaly 06 Aogositra 2026, ohatra, dia nisy 32 taonina tonga tao an-tsenanโny SCAMA.
Marin-toerana kosa ny vidinโny menaka, siramamy ary lafarinina ao Toliara.
MENABE : Nahatsikaritra kosa ireo mpiara-miasa ao aminโny DRCC Menabe izay nirotsaka nanao fanaraha-maso tao amin’ny Bazar Morondava Centre ny 05 Aogositra 2026 fa nisy fidinany ny vidin’ny siramamy. Raha 4000Ar ny iray kilao teo aloha dia lasa 3600Ar.
Ny vary gasy kosa no nisy fiakarany kely 50Ar isaky ny kapoaka.
Marin-toerana ny vidin’ny menaka sy lafarinina amin’ny ankapobeny. 8000 โ 8200Ar/l sy 9500 โ 12000Ar/l ny menaka raha 3200 โ 3400Ar/kg ny lafarinina.
ANALAMANGA : Teny aminโny tsenanโi Mahazo sy ny manodidina ny 04 Aogositra 2026 dia nisy fidinany ny vidin’ny siramamy novokarina teto an-toerana raha mitaha tamin’ny fiandohan’ny volana jolay. Marin-toerana kosa ny vidin’ny menaka.
Ny siramamy Ambilobe dia vidianโny mpanjifa 3500Ar โ 3800Ar raha 3600Ar โ 3800Ar ny siramamy Namakia. 4000Ar โ 4300Ar kosa ny siramamy nafarana avy any ivelany.
Teny amin’ny mpamongady, ny menaka Lafatra 1 litatra dia amidy 113500Ar ny iray baoritra. Ny menaka Hina 1 litatra dia 108000Ar ny iray baoritra raha 57500Ar ny ยฝ litatra. Rajah 20 litatra 154500Ar ary ny Hina 20 litatra dia 174000Ar.
ATSINANANA: Any Toamasina izay misy ny seranan-tsambo lehibe indrindra, raha ampitahana amin’ny fiandohan’ny volana jolay dia nidina 9% ny vidin’ny lafarinina nafarana. Raha 147000Ar ny lasaka dia lasa 135000Ar.
Nidina 4% kosa ny lafarinina novokarina teto an-toerana satria 145000Ar izany teo aloha no lasa 140000Ar.
