𝙈𝙖𝙧𝙞𝙣-𝙩𝙤𝙚𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙫𝙞𝙙𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙋𝙋𝙉 𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙧𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙖𝙢𝙞𝙝𝙖𝙛𝙖. 𝙈𝙖𝙣𝙖𝙢𝙖𝙛𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖-𝙢𝙖𝙨𝙤 𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 (𝙈𝙞𝙣𝘾𝘾) 𝙝𝙖𝙣𝙖𝙟à𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙫𝙞𝙙𝙞𝙣’𝙚𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙧𝙖-𝙙𝙧𝙖𝙧𝙞𝙣𝙮.
ITASY : Nisy fidinana 200Ar/kg ny vidin’ny lafarinina raha ampitahaina amin’ny vidiny herinandro teo aloha, araka ny tatitra avy amin’ny DRCC Itasy, taorian’ny fanaraha-maso ny tsena sy ny vidin’entana ny 31 Jolay 2026.
– 3300Ar – 3700Ar/kg no vidy ividianan’ny mpanjifa ny lafarinina vokarina eto an-toerana raha 3300Ar – 38000Ar/kg ny lafarinina nafarana.
Marin-toerana kosa ny vidin’ireo entana ilaina andavanandro (PPN) miohatra amin’ny vidiny ara-drariny. Ampy tsara ny tahin’entana ilaina andavanandro ary afaka mamaly ny filan’ny mponina ao amin’ny Faritra Itasy na lafarinina, na menaka, na siramamy na simenitra izany.
VAKINANKARATRA : Mbola maharitra 2 hatramin’ny 3 volana ny tahirin’entana ilaina andavanandro misy ankehitriny ho an’ny Faritra Vakinankaratra. Mbola marin-toerana hatrany koa ny vidiny.
– Ny menaka bidao dia amidy 8000Ar – 9200Ar/litatra raha 9300Ar – 10000Ar/litatra ny menaka amin’ny tavoahangy.
– Siramamy mavo : 3900Ar – 4100/kilao ;
– Siramamy fotsy : 4 200Ar – 4300Ar/kilao
– Lafarinina : 3200Ar – 3 400Ar/kilao.
DIANA : Tsy misy atahorana ny tahiry hiatrehana ny Festival SOMAROHO any Nosy Be. Nanamafy ny fanaraha-maso ny famatsiana sy ny tsena ary ny kalitaon’ny entana ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro ny Delegasionan’ny Varotra any Nosy ho fiarovana ny mpanjifa. Natomboka tao amin’ny Bazarikely Nosy-be teny amin’ny toeram-pivarotra lehbe izany. Ny famatsiana legioma no somary nanano sarotra fa efa nahitam-bahaolana izany teo amin’ny lafiny fitaterana. Nampitandremina ny mpivarotra tsy hanararaotra fa hanaja hatrany ny vidy ara-drariny na hitombo aza ny filàna
