๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ซ๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐๐๐ข๐ฅ๐๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐๐ค ๐๐ ๐ฉ๐จ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ง๐๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ซ๐ค๐๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐ ๐ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐จ๐ค๐ฃ๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐ฉ๐จ๐ฎ ๐๐ง๐-๐๐ง๐๐ง๐๐ฃ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐๐๐ฃโ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ก๐๐ข-๐ฅ๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐ฟ๐๐พ๐พ) ๐ผ๐ฃ๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ฃ๐.
ยซ ๐๐ข๐ฉ๐ข ๐ด๐ข๐ฏ๐ข๐ต๐ณ๐ช๐ข ๐ฌ๐ข ๐ฎ๐ช๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ณ๐ข๐ณ๐ข๐ฐ๐ต๐ข๐ฏ๐ข ๐ฅ๐ช๐ข ๐ต๐ด๐บ ๐ฉ๐ช๐ต๐ข๐ป๐ข๐ฎ-๐ฑ๐ฐ๐ต๐ด๐ช๐ฏ๐บ ๐ง๐ข ๐ฉ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐บ ๐ฏ๐บ ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ช๐ฌ๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ต๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ช๐ง๐บ ๐ข๐ฏ๐ข๐บ ๐ช๐ป๐ข๐ฉ๐ข๐บ ยป, hoy ny Talem-paritra Allendy ANONA, nampitandrina ireo mpivarotra mety ho alaim-panahy hanararaotra ny fahamaizanโny tsena Bazary kely.
Nitondra teny fankaherezana ireo fianakaviana namoy havana, simba fananana ary rava fihariana noho iny haintrano ny alinโny Alahady hifoha Alatsinainy 03 Jolay 2026 iny moa ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana rehefa avy nidina nijery ny zava-nisy teny Bazary kely.
Manome toky ny mpanjifa ny tenany fa tsy tokony hisy hatahorana ny famatsiana entana ilaina andavanandro (PPN) na teo aza ny fahavoazana satria mbola ampy hamatsiana ny ao an-toerana ny entana any aminโny mpamongady sy ny mpivarotra tsy tratry ny haintrano.
Niantso ny mpanjifa ho mailo koa ny Talem-paritra mba hitandrina ka tsy hampiasa na hihinana ny entana efa simbanโny afo. ยซ ๐๐ฐ๐ฌ๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ฎ๐ข๐ช๐ญ๐ฐ ๐ช๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ซ๐ช๐ง๐ข ๐ด๐ข๐ต๐ณ๐ช๐ข ๐ช๐ป๐ข๐บ ๐ฏ๐ฐ ๐ง๐ช๐ข๐ณ๐ฐ๐ท๐ข๐ฏ๐ข ๐ท๐ฐ๐ข๐ญ๐ฐ๐ฉ๐ข๐ฏ๐บ ยป, hoy izy.
